![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7b/Opened_Qur%2527an.jpg/640px-Opened_Qur%2527an.jpg&w=640&q=50)
Kor'any
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kor'any dia boky masin' ny silamo izay inoan' ny Mozilmana fa fanangonana ny tenin' i Allah (Andriamanitra) izay fanambaràna (āyāt) ara-bakiteny nambarany tamin' i Mohamady (arabo: محمد / Muḥammad) izay inoan' ny Mozilmana fa mpaminany farany sady irak' Andriamanitra, tamin' ny alalan' ny anjely Gabriela (جبريل / Jibrîl) nanomboka tamin' ny taona 610-612 hatramin' ny fotoana nahafatesany tamin' ny taona 632. Amin' ny teny arabo dia القُرْآن / al-Qurʾān no anaran' ilay boky. Asasoratra tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha, tamin' ny taonjato faha-7, ny Kor'any izay boky voalohany sy tranainy indrindra fantatra amin' ny teny arabo hatramin' izao.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7b/Opened_Qur%27an.jpg/320px-Opened_Qur%27an.jpg)
Ny dôgma nifandovàna eo amin' ny fivavahana silamo dia manao an' io boky io ho asasoratra voalohany amin' ny "teny arabo mazava", sady manana toetra "tsy hay alain-tahaka" eo amin' ny hakanton' ny firafetany sy amin' ny foto-pitsipika môraly sy etika voiziny.
Ny Kor'any dia antsoina indraindray hoe al-kitāb ("ny Boky"), adh-dhikr ("ny fampahatsiahivana") na koa al-furqān ("ny fahaiza-manavaka"). Ho an' ny Mozilmana sonita dia fanehoana anaran-toetr' Andriamanitra, tsy noforonina, natao ho an' ny olombelona rehetra ny Kor'any.
Ny lovam-pampianarana silamo dia mihevitra fa ny lahatsoratra kanônikan' ny Kor'any dia vita tany amin' ny andron' ny kalifa fahatelo, Othmān. Izany fiheverana izany anefa dia mbola foto-pikarohana sy adihevitra eo amin' ny mpahay tantara amin' izao taonjato faha-21 izao. Amin' ireto mpahay tantara ireto, ny Kor'any dia lahatsoratra samihafa natambatra na nampandrin' ny mpanoratra samihafa an-tsoratra, noraiketina tamin' ireo taona farany tamin' ny taonjato faha-7, teo ambany fitondran' ny kalifa ômeiada Abd al-Malik (taona 685-705), izay tena mpandrindra an' ilay empira ary nanao ny finoana silamo ho fivavahana ôfisialy[1]. Ity lahatsoratra ity dia mampivondrona singa avy amin' ny toritenin' i Mohamady, ary koa lahatsoratra manam-piaviana kristiana na pagàna mihitsy aza. Noho izany, ny Kor'any dia mpandova loharanom-pahalalana maro natambatry ny vondrona mpino voalohany izay nihevitra ny tenany fa mifanaraka amin' ny fampianaran' i Mohamady. Miteraka adihevitra eo amin' ny mpahay tantara ny daty nandraiketana ny rijantenin' ny Kor'any. Mitsinjara hoe toko na soràta miisa 114 ny Kor'any.