Eskatôlôjia silamo
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny eskatôlôjia silamo na eskatôlôjia islamika na eskatôlôjia mozilmana dia seha-pandalinana iray ao amin' ny teôlôjia silamo mandalina ny finoana ara-pivavahana momba ny fiainana aorian' ny fahafatesana sy ny andro farany. Izany dia mifototra indrindra amin' ny Kor'any sy amin' ny sonà. Anisan' ny lafin-javatra ao amin' io sehatra fandalinana io ny famantarana ny andro farany sy ny fandravana an' izao rehetra izao ary ny andron' ny fitsarana[1][2][3]. Amin' ny teny arabo dia atao hoe عِلْم آخر الزمان في الإسلام / ‘ilm ākhir az-zamān fī al-islām izany eskatôlôjia izany.
Ny fiandrasana ny andro farany dia hita ao amin' ny fivavahana mônôteista rehetra ary ny fitantarana mozilmana dia nandray lohahevitra avy amin' ny mônôteisma jiosy sy kristiana ary zôrôastriana.
Iray amin' ny andrin' ny finoana silamo ny finoana ny andro farany, dôgma tena ilaina izany. Izany dia midika finoana ny famantarana hialoha lalana ny Ora sy hanambara ny fahatongavan' izany tsy ho ela. Andinin-tsoratra masina sy hadita maro an' i Mohamady no mifandray amin' ny famantarana ny andro farany, ny fandringanana an' izao rehetra izao ary ny andro fitsarana. Na izany aza, ireo famantarana nambara mialoha ireo, izay tsy voatanisa ao amin' ny hadita na ao amin' ny andininy ao amin' ny Kor'any dia mety ho lohahevitry ny fifandirana eo amin' ny firehana isan-karazany. Ny marimaritra iraisana eo amin' ny manam-pahaizana mozilmana dia manaiky fa hisy famantarana lehibe sy miavaka alohan' ny fiafaran' izao tontolo izao. Ny fotopampianarana taorian' ny Kor'any dia mitanisa karazana famantarana roa: famantarana kely sy famantarana lehibe[4]. Anisan’ izany ny vanim-potoan’ ny fitsapana sy ny fahoriana, ny fotoanan’ ny fahalotoam-pitondrantena arahin’ ny ady mahery vaika, ny fisehoan-javatra tsy voajanahary maneran-tany ary ny fiverenan’ ny rariny eo amin’ izao tontolo izao.
Hitan' ny faminaniana koa ny olo-malaza toy ny Mahdi ("Ilay Notarihina"), i Isa (na Jesoa) izay hidina avy any an-danitra amin' ny fiaviany fanindroany, izay hitondra fandresena any an-danitra hanoherana an' i Dajjal ("Mesia mamitaka" na "Mesia sandoka", izay heverina ho mitovy amin' ny Antikristy ao amin' ny kristianisma), ary ny Dābbat al-Arḍ ("Bibidian' ny tany"), izay hifarana amin' ny famoahana an' i Yajuj sy Majuj (na Gôga sy Magôga) eto amin' izao tontolo izao[5]. Rehefa tapitra mitranga avokoa izany rehetra izany dia ho rava izao rehetra izao ary ny olombelona rehetra dia hatsangana mba hotsaraina amin' ny asany[6][7]. I Jesoa sy ny Dajjal ihany anefa no voalaza ao amin' ny Kor'any; ny mpandray anjara hafa kosa dia hita any amin' ny asasoratra taty aoriana.
Mitovy amin' ny foto-pinoana silamo hafa, ny loharanon' ny eskatôlôjia silamo dia nalaina avy amin' ny loharano fototra roa: ny Kor'any izay nosoratana tany am-piandohan' ny taonjato faha-7, sy ny literatioran' ny Sonà (tantara momba ny fiainan' ny mpaminany silamo Mohamady) izay nosoratana 250 taona tatỳ aoriana, tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-9[8]. Na izany aza, ny Kor'any izay mamerimberina mampirisika ny mpamaky sy mpihaino azy mba hiomana amin' ny "Ora" farany, dia saika tsy misy fampahalalana momba ny andro farany. Saika avy amin' ny hadita (indrindra fa ny Sahih al-Bukhari sy Sahih Muslim) ny votoatin' ny fitantarana eskatalôjika silamo rehetra, ary avy amin' ny tsoa-kevitra amin'ny alalan' ny fampitahana faobe sy fanombantombanan' ny mpanoratra mozilmana lehibe (indrindra fa i Al-Shaykh Al-Mufid, i al-Ghazali, i Ibn Arabi, i Al- Qurtubi, i Ibn Kathir, ary i as-Suyuti)[9][10].
Naka aingam-panahy avy amin' ny eskatôlôjia jiosy-kristiana (amin' ny andro farany dia hamono ny Antikristy i Jesoa, hitsangan-ko velona sy hotsaraina ny maty, hadray ny valin' asany eo anatrehan' Andriamanitra ny tsirairay ka hahazo valisoa any amin' ny paradisa na voasazy any amin' ny helo ...) ny eskatôlôjia silamo[11]. Ireo lohahevitra ireo dia ampahany amin' ny fitohizan' ny jodaisma sy ny kristianisma ary, amin' ny alalan' ireo fampianarana ireo, dia ahitana lova avy amin' ny zôrôastrisma[12]. Ny jeôgrafia namolavola ny lohahevitry ny paradisa sy ny helo, ohatra, dia nivoatra tao amin' ny jodaisma nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 sy taonjato voalohany tal. J.K. Hita ao amin' ny Kor'any izany rehetra izany[12]. Mirakitra singa avy amin' ny asasoratra toy ny Apôkalipsin' i Baroka sy ny Apôkalipsin' i Petera ny eskatôlôjia silamo[13]. Amin' i Van Reeth ihany koa dia mety ho lahatsora-tononkalo talohan' ny silamo natovana taty aoriana ny sorata 27: 87-90.
Natao ho fampitandremana ho an' ny olombelona ny Kor'any sy ny fampianarany, izay samy mamaritra ny zavatra hitranga, ary azo heverina fa amin' ny ankapobeny dia manana tanjona eskatôlôjika[12]. Na izany aza, noho endrika misaratsarak' ireo sorata ireo dia tsy ahitana lamina eskatôlôjika feno ny Kor'any ary tsy mazava ny ho anjaran' ny fanahin' ny olombelona eo anelanelan' ny fahafatesana sy ny andron' ny fitsanganana amin' ny maty[12]. Mampiasa hadita ny mpanao heviteny mozilmana mba hamaritany ny zavatra hitranga. Na izany aza dia mihevitra ny fiainana eo anelanelan' ny fahafatesana sy ny fitsarana ny andalan-tsoratra sasany toy ny sorata 40: 45-46. Amin' i Boisliveau anefa, ny fanazavana an' io andalan-tsoratra io dia azo inoana fa fanazavana efa taty aoriana ary ireo andininy ireo dia tsy maintsy nanambara tamin' ny voalohany ny fiheverana fa mahita amin' ny nofy ny fampitandremana momba ny hijaliany amin' ny hoavy ny tsy manaja fivavahana, izany dia hevitra hita ao amin' ny lahatsoratra siriaka sy ao amin' ny mpanao heviteny mozilmana fahiny[14]. Hita ao amin' ny hadita nampitain' i al-Tirmidhi (taonjato faha-3 hatramin' ny faha-9) ny momba ny fiainana anelanelany[12].
Misy hadita sy fitantaram-bahoaka izay manamafy ny fisehoan-javatra apôkaliptika amin' ny andro farany voalaza ao amin' ny Kor'any ary manovana antsipiriany fanampiny. Ao amin' ireo fitantarana ireo, izay niseho tamin' ny taonjato faha-9, nefa tsy misy dika mitovy feno talohan' ny taonjato faha-16, ary ao amin' ireo hadita ireo no ahitaba ny fanavahana ny famantarana lehibe sy ny famantarana madinika[13]. Avy amin' ireo lahatsoratra ireo no ny lohahevitra tsy araka ny Kor'any momba ny "famaizana any am-pasana". Araka io heviotra io, rehefa maty dia nisy anjely roa tonga mijery ny maty ary nanontany azy momba ny zavatra nataony sy ny finoany ary ny fahaizany mamaky ny Kor'any. Miankina amin' ny valin-teny no mety hahazoana valisoa na sazy[12].
Ao amin' ny finoana silamo dia resahina ny andiana famantarana madinika sy lehibe momba ny andro farany. Voalaza fa ny Mahdi (olona hidina avy any an-danitra) no hampifandray azy ireo. Ao amin' ny hadita dia voalaza fa hiseho aloha ny famantarana madinidinika, arahin' ny fahatongavan' ny Mahdi, ary avy eo dia ho avy ny famantarana lehibe. Iadian-kevitra raha mety hitranga miaraka na tsy maintsy miseho amin' ny fotoana samy hafa ireo famantarana ireo.
Indreto ny famantarana lehibe momba ny andro farany:
Indreto kosa ny famantarana kely momba ny andro farany:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.