Siria

From Wikipedia, the free encyclopedia

Siria
Remove ads

I Siria na Repoblika Arabo Siriana dia firenena arabo ao Azia Andrefana, manana morontsiraka eo amin' ny Ranomasina Mediteranea. Ny firenena manodidina azy dia i Jôrdania ao atsimo, i Torkia ao avaratra, i Iràka ao atsinanana, i Libàna ao andrefana, ary i Israely ao atsimo-andrefana.

Thumb
Sainan' i Siria
Thumb
Toerana misy an' i Siria eto amin' izao tontolo izao

Ny renivohitr' i Siria, Damaskôsy na Damasy, dia ny tanàna tranainy indrindra mbola onenana manerana izao tontolo izay. Efa renivohitry ny Kalifata Omaiada, ary efa renivohitry ny Soltanata Mamelokan' i Ejipta ity tanàna renivohitr' i Siria ity.

Thumb
Sarin-tanin' i Siria

Tamin' ny fiafaran' ny Ady Lehibe Voalohany dia lasa ny Frantsay no nitondra an' i Siria. Azony ny fahaleovantenany tamin' ny volana Avrily 1946.

Remove ads

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Kôntinenta eto an-tany

Remove ads

Tsiahy

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads