Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Iràka dia firenena ao amin’ ny faritra Atsinanana Akaiky any Azia. Ny renivohiny dia i Baghdad. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. 438 317 km2 ny velarantaniny ary 31 129 225 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2012. Ny faritr' ora dia +3.
Tsy manana afa-tsy morontsiraka mirefy 40 km ao amin’ ny tapany atsimo, ao amin’ ny Hoala Persika i Iràka. Ny sisa amin’ ny vohon-taniny dia anjakan’ ny lohasahan’ i Tigra (na Tigrisy) sy ny an’ i Eofrata, ony roa lehibe ao amin’ ilay firenena. Ny toetanin’ i Iràka, amin’ ny ankapobeny, dia maina sy tany efitra, afa-tsy ireo faritra be tendrombohitra.
Ny vahoaka irakiana dia betsaka tanora (manakaiky ny 45 % ireo latsaky ny 15 taona) ary tsy mitovy ny fitsinjaràny manerana an’ i Iràka: ny ampahany be amin’ ny veleran’ i Iràka dia tsy misy mponina. Ny Arabo no vahoaka maro an’ isa indrindra, izay mahatratra 73 %n’ ny mponina, sy ny Kiorda, izay 22 %n’ ny mponina.
Manana harena ambanin’ ny tany betsaka i Iràka, ka isan’ izany ny solitany izay maha laharana faharoa azy maneran-tany, sy ny etona voajanahary izay maha laharana fahafito azy maneran-tany.
Ny fitrandrahana solitany no loharanom-bola lehibe indrindra any Iràka. Nitontongana izaitsizy anefa ny toekaren’ io firenena io taorian’ ny ady tao amin’ ny Hoala Persika tamin’ ny taona 1991 sy 2003.
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
Samihafa
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.