I Nôa na Nôe dia ilay lehilahy voalaza ao amin' ny Baiboly fa sisa tsy maty niaraka tamin' ny ankohonany, tamin' ny Safodrano teto an-tany nataon' Andriamanitra handringanana ny olombelona izay nanota tamin' ny fomba mihoa-pampana[1].
Ny tantaran' i Nôa dia hita ao amin' ny Baiboly sy ny Kor'any nefa misy fahasamihafany ny fomba fitantaran' ny boky tsirairay.
Ny Safodrano
Araka ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly dia nanamboatra sambofiara izay nitondra azy mianakavy sy ny biby nasain' Andriamanitra nentiny i Nôa ka ireo no nitaranaka nameno ny tany indray taorian' ny Safodrano. I Nôa no razamben' ny olombelona rehetra tamin' ny alalan' ny vinantovaviny sy ny zanany telolahy, dia i Sema sy i Hama (na Kama) ary i Jafeta.
Ny fanozonana an' i Hama
Indray andro dia mamon-divay i Nôa ka hitan' i Hama na Kama ny fitanjahany nefa tsy nanao afa-tsy ny nilaza izany tamin' ny rahalahiny izy ka ireto no nampitafy an-drain' izy ireo. Rehefa nisava ny hamamoan' i Nôa dia nanozona izy ka nanambara fa ho andevon' i Sema sy i Jafeta i Kanaana zanak' i Hama.
Ao amin' ny finoana silamo dia atao amin' ny teny arabo hoe نوح / Nûh i Nôa sady anisan' ny mpaminany nataon' Andriamanitra ho irany tety ambonin' ny tany tamin' ny alalan' ny fanambaràna (ar.: Risala "iraka", "mpitondra hafatra"). Ny toko faha-71 ao amin' ny Kor'any dia mitondra ny anarany sady itantarana ny toriteny izay nataony tamin' ny mpiara-belona taminy mba hanaiky ny didin' Andriamanitra tokana. Nitory ny tenin' Andriamanitra ilay Tokana tamin' ny mpanompo sampy izy (Kor'any 71:23). Ao amin' io soràta io dia voatanisa ny anaran' ny andriamanitry ny mpanompo sampy nivavahan' ny vahoakany, dia i Oda (ar.: Wudd), i Soà (arabo: Souwa'â), i Iagota (arabo: Yaghuth), i Iaoka (arabo: Ya'â'uq) ary i Nasra (arabo: Nasr).
Ny firesahana momba an' i Nôa ao amin' ny Kor'any dia misy fahasamihafana amin' izay hita ao amin' ny Baiboly. Tsy voatonona anarana sady tsy fantatra isa ireo zanaka lahin' i Nôa.
Nitory teny nandritra ny 950 taona teo anivon' ny vahoakany tamim-paharetana i Nôa (Kor'any 29:14) nefa olona vitsy no nanaraka azy ka ny ankamaroan' ireo dia olona mahantra. Nilaza taminy i Allah fa tsy hisy olona hafa intsony hanaraka azy. Ny ankamaroan' ny olona izay mpanompo sampy sy mpivavaka amin' andriamanitra maro dia nihevitra azy ho mpandainga (Kor'any 11:36).
Nanamboatra ny sambofiara (arabo: fulk) i Nôa araka ny baiko sy ny toromarika nomen' Andriamanitra (Kor'any 11:38-40) nefa ireo lehiben' ny tanàna dia nihomehy azy. Noho izany dia nampandevezin' Andriamanitra ny lafaoro ka niondrana tao amin' ilay sambofiara i Nôa sy ny tsiroaroa mpivady amin' ny zavamananaina rehetra sy ny ankohonany, afa-tsy ilay zanany voaozona, ary mpino vitsivitsy. Tsy fianakaviana akaikin' i Nôa avokoa ny olona tafiditra tao amin' ny sambofiara fa ny olona rehetra mino an' Andriamanitra (Kor'any 11:40).
Nisy tamin' ny havany no maty tao amin' ny safodrano. Tsy nanaraka azy ny vadiny (sahala amin' ny vadin' i Lôta nandritra ny fandravan' Andriamanitra an' i Sôdôma sy Gômôra) (Kor'any 6:10). Ny iray tamin' ny zanaka lahin' i Nôa dia tsy nety niondrana tamin' ny sambofiara fa nitady fialofana teny amin' ny tendrombohitra nefa natelin' ny rano satria tsy zanany ara-panahy izy fa naman' ireo izay nandà an' Andriamanitra (Kor'any 11:44-46).
Teo amin' ny Tendrombohitra Jōdȳ (arabo: جبل جودي / Jebel Ǧūdī), izay mety ho teo amin' ny tangoron-tendrombohitra Ararata no nipetrahan' ilay sambofiara tamin' ny farany. Miresaka ny amin' ny onjan-drano lehibe avo dia avo toy ny tendrombohitra ny Kor'any (Kor'any 69:11-12).
Ny tantara momba ny fahamamoan' i Nôa dia tsy hita ao amin' ny Kor'any ary inoan' ny mpino silamo fa voaaron' Andriamanitra amin' ny fahamamoana izy.