Sôdôma
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Sôdôma dia tanàna kanaanita taloha voatonona miaraka amin' ny tanana hafa atao hoe Gômôra voaresaka ao amin' ny Baiboly, izay noravan' Andriamanitra tamin' ny fandatsahana afo sy solifara araka ny voalaza ao amin' ny Bokin' ny Genesisy na Jenezy (Gen. 18.19) tokony ho tamin' ny taonjato faha-19 tal. J.K. Misy tanàna hafa koa izay nifanakaiky tamin' izy ireo, dia i Adma sy i Tsebôima (na Zebôima) ary i Tsôara (na Zôara). Nodoran' Adriamanitra ireo tanàna ireo noho ny hadalan' ny filan' ny nofon' ny mponina tao[1]. I Lôta sy ny zanany no sisa velona fa afa-nandositra niala ny tanàna.
Ny Baiboly dia milaza fa tao atsimon' ny Ranomasina Maty no nisy an' i Sôdôma, tao amin' ny misy an' i Jôrdania ankehitriny, tokony manoloana ny mandan' i Masada.
Atao hoe סְדוֹם / Səḏôm ny anaran' i Sôdôma amin' ny teny hebreo fa Σόδομα / Sódoma kosa amin' ny teny grika. Ny teny hoe Sôdômita no fiantsoana ny mponina tao.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.