![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/fa/Sub-Saharan_Africa_with_borders.svg/langmg-640px-Sub-Saharan_Africa_with_borders.svg.png&w=640&q=50)
Afrika atsimon' i Saharà
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Afrika atsimon' i Saharà dia faritry ny kôntinentan' i Afrika izay hita ao atsimon' ny tany efitr' i Sahara. Firenena miisa 48 no ao amin' io faritra io. Amin' ny ankapobeny dia faritra manana olana momba ny fampandrosoana ara-toekarena i Afrika atsimon' i Saharà.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/fa/Sub-Saharan_Africa_with_borders.svg/320px-Sub-Saharan_Africa_with_borders.svg.png)
Ireto avy ireo firenena ao amin' io faritra io: ny Repoblikan'i Afrika Afovoany, i Afrika Atsimo, i Angôla, i Benîno, i Borkina Fasô, i Borondy, i Bôtsoana, i Kapvera, i Eritrea, i Etiôpia, i Gambia, i Gabôna, i Ganà, i Ginea, i Ginea Bisao, i Ginea Ekoatôrialy, i Jibotỳ, i Kamerona, i Kenia, i Kômôro, i Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny Repoblikan' i Kôngô, i Kôtidivoara, i Lesôtô, i Liberia, i Madagasikara, i Malaoỳ, i Malỳ, i Maoritania, i Maorisy, i Môzambika, i Namibia, i Nizera, i Nizerià, i Oganda, i Roanda, i Saô Tôme e Prinsipe, i Esoatiny (Soazilandy taloha), i Seisely, i Senegaly, i Siera Leôna, i Sodàna, i Sodàna Atsimo, i Sômalia, i Tanzania, i Tôgô, i Tsady ary i Zimbaboe.