![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/77/Flag_of_The_Gambia.svg/langmg-640px-Flag_of_The_Gambia.svg.png&w=640&q=50)
Gambia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Gambia dia firenena ao Afrika Andrefana izay manana morontsiraka amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Banjul no renivohiny. Mirefy 11 295 km² ny velaran-taniny. Nisy mponina 2 173 999 tao Gambia tamin' ny taona 2020 ka 192 mp./km2 ny hakitroky ny mponina. Atao hoe Gambiana ny vahoakan' io firenena io.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/77/Flag_of_The_Gambia.svg/640px-Flag_of_The_Gambia.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3b/Gambia-map-political.jpg/640px-Gambia-map-political.jpg)
Saika ao anatin' ny tanin' i Senegaly, afa-tsy ny tapany mitodika any Atlantika, i Gambia. Mamakivaky azy ny ony Gambia. Anisan' ireo firenena kely ao Afrika izy. Nahazo ny fahalevan-tenany i Gambia tamin' ny taona 1965.
Ny vahoaka gambiana dia fitambarana vondrom-poko maromaro, ka ireto ny lehibe indrindra: ny Malinke (40 %),ny Folany, ny Vôlôfo, ny Sôninke ary ny Diolà. Manaraka ny fivavahana silamo mifagaro finoan-drazana afrikana ny 95 %n' ny Gambiana; vitsy ihany ny Kristiana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/16/Gambia_%28orthographic_projection_with_inset%29.svg/320px-Gambia_%28orthographic_projection_with_inset%29.svg.png)
Mpamboly ny ankamaroan' ny Gambiana nefa ianjadian' ny toetany maina io firenena io.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c1/GambieBacs2.jpg/640px-GambieBacs2.jpg)
Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialin' i Gambia na dia miteny mandinga, vôlôfo, peola, sôninke, serera, kriô sy maro hafa ny mponina ao. Miteny frantsay ihany koa ny Gambiana.