Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Nizerià na Nijerià (amin' ny teny anglisy: Nigeria), izay atao hoe Repoblika Federalin' i Nizerià koa (amin' ny teny anglisy Federal Republic of Nigeria), dia firenena ao Afrika Afovoany-Andrefana, izay misy fanjakana miisa 36, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 923 768 km². Mamaritra azy avy ao avaratra i Nizera, avy ao atsinana i Tsady sy i Kamerona, ary ao andrefana i Benîno. I Abuja no renivohiny (nanomboka tamin' ny taona 1991) nefa ny tanàna lehibe indrindra amin' ny raharaham-barotra dia i Lagos. Atao hoe Nijeriana na Nizeriana ny vahoakan' io firenena io.
Federal Republic of Nigeria ((en)) | |||||
Jamhuriyar Taraiyar Nijeriya ha | |||||
Njíkötá Óchíchìiwù Naíjíríà ig | |||||
Àpapọ̀ Olómìnira ilẹ̀ Nàìjíríà yo | |||||
Repoblika Federalin' i Nizerià ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Unity and Faith, Peace and Progress (Firaisana, Finoana, Fandriam-pahalemana ary Fivoarana) | |||||
Teny ofisialy | Anglisy Haosa | ||||
Renivohitra | Abuja 9°10′N 7°10′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Lagos | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Filoha andefitra |
Repoblika Fedelady Muhammadu Buhari Yemi Osinbajo | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 32 923 768 km² 1,4 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 7 170 123 740 mpo. 184.2 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Nizerianina | ||||
IDH (2011) | midina 0,448 (ambany) faha-142 | ||||
Sandam-bola | Naira (NGN ) | ||||
Faritr'ora | UTC +1 | ||||
Hiram-pirenena | Arise Oh Compatriots, Nigeria's Call Obey | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+234 |
Anjakan' ny lembalemba mivelatra maro izay vakivakian-korian-drano maro ny vohon' ny tanin' i Nizeria, isan' ireo korian-drano ireo ny ony Niger izay manavasava an' io firenena io avy any avaratra mianatsimo alohan' ny hivarinany any amin' ny Hoalan' i Ginea.
I Nizerià no firenena be mponina indrindra aty Afrika, ary i Lagos dia anisan' ny tanàna lehibe indrindra maneran-tany. Ahitana vondrom-poko maro ny ao amin' io firenena io, ka ny lehibe indrindra dia ny Haosa, ny Folany, ny Iôroba ary ny Ibô na Igbô. I Nizerià no firenena be mponina indrindra ao Afrika, izay nisy mponiny miisa 162 000 000 tamin' ny taona 2011.
Niompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Nizeria talohanan' ny nahitany tahirin-tsolitany voajanahary tamin' ny taompolo 1970 izay nampitombo ny harin-kareny. Mampidi-bola betsaka any Nizerià ny vokatra kakaô izay mametraka azy ho eo amin' ny laharana fahenina maneran-tany. Na dia firenena manan-karena aza i Nizerià amin' ny famokarany solitany be dia be, dia mahantra ny ankamaroan' ny mponina ao aminy. Ny antony mahatonga izany dia ny fisian' ny kolikoly. Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra aty Afrika ara-toekarena i Nizerià, aorian' i Afrika Atsimo sy eo alohan' i Ejipta.
Ny fiteny ôfisialy dia ny fiteny anglisy, tenim-pirenena kosa ny fiteny iôroba sy ny fiteny igbô ao atsimo ary ny fiteny haosa izay tenenina any amin' ny faritra avaratra ao Nizeria. Mikambana ao amin' ny Commonwealth i Nizeria.
Ny fifidianana izay nitranga tamin' ny taona 2011 no lazain' ny fianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka sy mangarahara indrindra hatry ny fahaleovan-tenan' ilay firenena tamin' ny taona 1960.
Ao amin' ny Hoalan' i Ginea no misy an' i Nizerià. Ny halava manontolon' ny sisintanin' i Nizerià dia 4 047 km; ary 853 km no halavan' ny morontsirak' i Nizerià. Ny firenena mizara sisintany amin' i Nizerià dia i Kamerona sy i Nizera ary i Tsady.
Firenena ao Afrika
Momba an' i Nizerà:
Kôntinenta eto an-tany:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.