![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/ed/Flag_of_Guinea.svg/langmg-640px-Flag_of_Guinea.svg.png&w=640&q=50)
Ginea
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ginea dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 245 857 km². Niisa 14 190 612 ny mponina ao tamin' ny taona 2023. Antsoina koa hoe Ginea-Kônakry izy mba hanavahana azy amin' i Ginea-Bisao. I Conakry no renivohiny. Atao hoe Gineana ny vahoakan' io firenena io.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/ed/Flag_of_Guinea.svg/640px-Flag_of_Guinea.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b9/Guinee_carte.png/320px-Guinee_carte.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e4/Guinea_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Guinea_%28orthographic_projection%29.svg.png)
Mizara ho faritra ara-jeôgrafia efatra i Ginea, dia ny lemaka amorontsiraka be honahona ao andrefana ao feran' ny Ranomasimbe Atlantika, ny lembalemban' i Fouta-Djalon eo afovoan' ilay lemaka amorontsiraka, ny lembalemba Mandinga ao amin' ny sisiny avaratra amin' ilay firenena ao amin' ny sisin-tany manasaraka azy amin' i Maly, ny tany avo gineana ao atsimo-atsinanana izay ahitana ny tendrombohitra Nimba izay mahatratra 1 752 m. Mipoitra avy ao Ginea ny loharanon' ny ony lehibe sasany ao Afrika Andrefana, toa an' i Gambia sy i Niger.
Mpamboly sy mpiompy ny 90 %n' ny ponina ao Ginea nefa tsy ampy ho an' ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Manana loharanon-karena an-kibon' ny tany betsaka i Ginea, ka lohalaharana amin' izany ny baoksita.
Misy vondrom-poko efatra lehibe ny vahoaka gineana, dia ny Mandinga, ny Folany, ny Soso ary ny Vahoakan' ny Ala. Miozolmana ny ankamaroan' ny Gineana (84,4 %), manaraka izany ny Kristiana (10,9 %), any aoriana ny mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana (2,4 %).
Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy ao Ginea nefa ny fiteny malinke, folany, soso, kisy, basary, lôma, kôniagy ary kpele dia fitenim-pirenena.