Gabôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Gabôna dia firenena ao Afrika Afovoany, izay manana morontsiraka any amin' ny Ranomasimbe Atlantika, ka ny telo ampahefatra amin' ny velaran-taniny dia rakotra ala mikitroka. I Libreville no renivohiny. Mamaritra an' i Gabôna avy ao avaratra-andefana i Ginea Ekoatôrialy, ao avaratra i Kamerona, ao atsinanana sy ao atsimo ny Repoblikan' i Kôngô. Miankina tanteraka amin' ny solitany ny toekarenan' i Gabôna ka noho izany dia lalaovin' ny fiovaovan' ny vidin-tsolitany izany toekarena izany. Mirefy 267 667 km2 ny velaran-tanin’ i Gabôna. Atao hoe Gabôney ny vahoakan' io firenena io.