![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0a/Flag_of_S%25C3%25A3o_Tom%25C3%25A9_and_Pr%25C3%25ADncipe.svg/langmg-640px-Flag_of_S%25C3%25A3o_Tom%25C3%25A9_and_Pr%25C3%25ADncipe.svg.png&w=640&q=50)
Saô Tôme e Prinsipe
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Saô Tôme e Prinsipe na Repoblika Demôkratikan' i Saô Tôme e Prinsipe dia firenena ao Afrika Afovoany, ao amin' ny Hoalan' i Ginea, ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Ny renivohiny dia i São Tomé. Ny tanàna lehibe indrindra dia io renivohiny io ihany. Mirefy 1 001 km² ny velarany. Niisa 183 176 ny mponina tao araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Atao hoe Santômeana ny vahoaka ao. Ny faritr' ora dia +0.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0a/Flag_of_S%C3%A3o_Tom%C3%A9_and_Pr%C3%ADncipe.svg/640px-Flag_of_S%C3%A3o_Tom%C3%A9_and_Pr%C3%ADncipe.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/35/Location_S%C3%A3o_Tom%C3%A9_and_Pr%C3%ADncipe_AU_Africa.svg/640px-Location_S%C3%A3o_Tom%C3%A9_and_Pr%C3%ADncipe_AU_Africa.svg.png)
Atao hoe São Tomé e Príncipe na República Democrática de São Tomé e Príncipe izy amin' ny teny pôrtogey.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/49/Mapa_de_S%C3%A3o_Tom%C3%A9_e_Pr%C3%ADncipe.svg/205px-Mapa_de_S%C3%A3o_Tom%C3%A9_e_Pr%C3%ADncipe.svg.png)
Tangoro-nosy ahitana nosy roa lehibe (dia i São Tomé sy i Príncipe) sy nosy madinika maro koa no mamorona ny tanin' ity firenena ity. Be tendrombohitra ireo nosy ireo izay nifirona amin' ny alalan' ny fipoahan' afotroa, sady rakotra alan-jana-pehin-tany ny 30 %n' ny taniny. Manana toetanin-jana-pehin-tany ity firenena ity.
Miakina be amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Saô Tôme e Prinsipe, indrindra fa amin' ny fambolena kakaô.
Ny kristianisma katôlika no fivavahan' ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ity firenena ity. Ny 30 %n' ny Santômeana dia monina any ivelan' ny fireneny, indrindra any Pôrtogaly sy any Angôla ary any Gabôna.
Zanatany pôrtogey taloha i Saô Tôme e Prinsipe izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1975. Ny fiteny pôrtogey no fiteny ôfisialy any.