Afrika
kontinenta / From Wikipedia, the free encyclopedia
I Afrika dia kôntinenta iray manana velaranta mirefy 30 221 532 km2 miaraka amin' ny nosy manodidina azy. Ny velaran-taniny dia 20,3 %-n' ny velarana totalin' ny Tany ary 6 %-n' ny velaran-tany maina manontolo. Mahatratra hatramin' ny iray lavitrisa ny isan' ny mponina ao aminy tamin' ny taona 2010, izany dia 16,14 %-n' ny mponina eran' izao tontolo izao. I Afrika dia voafaritry ny Ranomasina Mediteranea any avaratra, ny Lakandranon' i Suez sy ny Ranomasina Mena any avaratra-atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana any atsinanana ary ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana. Misy firenena 48 miaraka amin' i Madagasikara, ary 53 miaraka amin' ny tamba-nosy rehetra i Afrika.
Mamaky an' i Afrika ny Fehiben-tany ary betsaka ny toetany ao aminy: miovaova any avaratra, mafana ary tsindraindray misy tanimaty (tany efitra) eo amin' ny zana-pehintany roa miampita azy koa ary mafana sy manorana manodidina ny Fehiben-tany.
Misy firenena mihoatra ny 50 i Afrika, dia ireto avy izany: Afrika Atsimo, Alzeria, Angôla, Benîno, Borkina Fasô, Borondy, Bôtsoana, Ejipta, Eritrea, Esoatiny (Soazilandy taloha), Etiôpia, Gabôna, Gambia, Ganà, Ginea, Ginea Bisao, Ginea Ekoatôrialy, Jibotỳ, Kamerona, Kapvera, Kenia, Kômôro, Kôtidivoara, Lezôtô, Liberia, Libia, Madagasikara, Malaoỳ, Malỳ, Maorisy, Maoritania, Marôka, Môzambika, Namibia, Nizera, Nizeria, Oganda, Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Afrika Afovoany, Repoblikan' i Kôngô, Roanda, Saô Tôme e Prinsipe, Seisely, Senegaly, Siera Leôna, Sodàna, Sodàna Atsimo, Sômalia, Sômalilandy, Tanzania, Tôgô, Tonizia, Tsady, Zambia ary Zimbaboe.