Fiteny kibosy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kibosy na fiteny sibosy na fiteny bosy dia fiteny ao Mayotte tenenin' ny olona miisa 47 900 tamin' ny taona 2012. Izy no fitenin-dreny faharoa ao amin' io nosy io izay manao ny fiteny frantsay ho fiteny ôfisialy. Endriky ny fiteny malagasy ny fiteny kibosy ka anisan' ireo fiteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Manakaiky ny fiteny malagasy tenenina any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Madagasikara (Antsiranana sy Mahajanga) ny fiteny kibosy. Endriky ny fiteny kibosy ny fiteny kiantalaotsy sy ny fiteny kibosy kimaôre.
Ireto ny tanàna sasany ao Mayotte itenenana kibosy: Bambo-Est, M'Bouini (na M'Boueni), Passi-Kéli, M'Ronabéja, Kani-Kéli, Chirongui, Poroani, Ouangani, Chiconi, Sohoa, M'Tsangamouji, M'liha, Acoua, Mtsangadoua, Hamjago, Dapani, Mtsamoudou.
Jereo koa
- Fiteny malagasy: Fiteny antambahoaka, antandroy, antankarana, antanosy, antefasy, antemoro, antesaka, bara, betsileo, betsimisaraka avaratra, betsimisaraka atsimo, bezanozano, mahafaly, masikoro, merina, sakalava, sihanaka, tanala, tsimihety, vezo, zafisoro.
- Fiteny kibosy, antalaotra, kibosy kimaôre
- Fiteny ao Mayotte
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.