![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/17/Flag_of_Sierra_Leone.svg/langmg-640px-Flag_of_Sierra_Leone.svg.png&w=640&q=50)
Siera Leôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Siera Leôna dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 71 740 km². I Freetown no renivohiny. Atao hoe Sieraleôney ny vahoakan' ity firenena ity.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/17/Flag_of_Sierra_Leone.svg/640px-Flag_of_Sierra_Leone.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/38/Sierra_Leone_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Sierra_Leone_%28orthographic_projection%29.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/88/Sierra_Leone-carte.png/320px-Sierra_Leone-carte.png)
Tany lemaka amorontsiraka midadasika no mandrafitra ny vohon-tanin' i Siera Leôna, izay mivelatra amin' ny halavana mirefy 80 km ao afovoan-tany. Anjakan' ny lembalemba sy ny tangorom-bohitra ny ao atsinanana. Maro ny renirano manondraka ny tanin' i Siera Leôna.
Betsaka ny karazam-biby any amin' io firenena io, ka anisan' izany ny antilôpa, ny elefanta, ny voay, ny lalomena ary ny rajako. Ahitana karazam-borona maro koa ao.
Miozolmàna ny ankamaroan' ny mponina any Siera Leôna (60 %), maro koa ny manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista.
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Siera Leôna, ka anisan' ny volena any ny vary, ny kafe ary ny kakaô. Anisan' ireo tany voalohany mpamokatra vato sarobidy sy diamondra i Siera Leôna.
Zanatany britanika taloha i Siera Leôna, tamin' ny taona 1961 no nahazoany ny fahakeovan-tenany. Nandrotika an' ity firenena ity ny ady an-trano tamin' ny taona 1990 hatramin' ny taoa 2001. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.