![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/31/Flag_of_Burkina_Faso.svg/langmg-640px-Flag_of_Burkina_Faso.svg.png&w=640&q=50)
Borkina Fasô
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Borkina Fasô dia firenena ao Afrika Andrefana, manana velarana mirefy 274 200 km², tsy manana morontsiraka. I Ouagadougou no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra sy andrefana i Malỳ, avy ao atsinanana i Nizera, ao atsimo i Benîno sy i Tôgô sy i Ganà ary i Kôtidivoara. Atao hoe Borkinabe ny vahoaka ao aminy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/31/Flag_of_Burkina_Faso.svg/640px-Flag_of_Burkina_Faso.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/96/Coat_of_arms_of_Burkina_Faso.svg/320px-Coat_of_arms_of_Burkina_Faso.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e0/Burkina_Faso_%28orthographic_projection%29-2.jpg/320px-Burkina_Faso_%28orthographic_projection%29-2.jpg)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/db/Burkina_Faso_-_Location_Map_%282013%29_-_BFA_-_UNOCHA.svg/220px-Burkina_Faso_-_Location_Map_%282013%29_-_BFA_-_UNOCHA.svg.png)
Lembalemba manana salan-kaambo mirefy 250 hatramin' ny 350 m no manjaka amin' ny vohon-tanin' i Borkina Fasô. Milatsaka tampoka izany lembalemba izany any atsimo-andrefana izay ahitana hantsana sy ny riamben' i Banfora, midina izany any avaratra mankany amin' ny lohasahan' i Niger. Maro ny ony sy ny renirano manondraka an' i Borkina Fasô, ka isan' izany i Comoé, i Nazinon (na Volta Rouge), i Mouhoun (na Volta Noire) ary i Nakambé (na Volta Blanche). Matetika andalovan' ny haintany i Borkina Fasô ary maina ny rivotra.
Maro ny vondrom-poko ao Borkina Fasô, ka ny lehibe indrindra dia ny Môsy izay 50 %n' ny vahoaka borkinabe; ao koa ny Folany, ny Toarega, ny Gormantse sy ny maro hafa vitsy anisa. Ny fivavahana silamo sy ny fivavahan-drazana afrikana no tena be mpanaraka ao, vitsy anisa ny Kristiana. Atao hoe Borkinabe ny vahoakan' io firenena io.
Zanatany frantsay taloha i Borkina Fasô izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1960. Nantsoina hoe Haute-Volta i Borkina Fasô talohan' ny taona 1984. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialiny.