![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f4/Flag_of_Niger.svg/langmg-640px-Flag_of_Niger.svg.png&w=640&q=50)
Nizera
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Nizera na Nijera dia firenena ao Afrika Andrefana, tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 1 267 000 km². I Niamey ho renivohiny. Atao hoe Nijeriena na Nizeriena ny vahoakan' io firenena io.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/88/Niger_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Niger_%28orthographic_projection%29.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f4/Flag_of_Niger.svg/640px-Flag_of_Niger.svg.png)
Ny sisintanin' i Nizera dia nofaritan' ny mpanjanatany ka somary mahitsihitsy tsy manaraka soritra voajanahary. Mamaritra azy ao avaratra i Aljeria sy i Libia, avy ao atsinanana i Tsady, avy ao atsimo i Nizeria sy i Benîno, ary avy ao andrefana i Borkina Fasô sy i Malý.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3a/Niger_carte.gif/320px-Niger_carte.gif)
Mizara faritra ara-jeôgrafia telo i Nizera: ny faritra amin' ny tany efitr' i Sahara ao avaratra anjakan' ny tangorom-bohitr' i Air izay tsy ahitana zavamaniry firy, ny faritra ao amin' i Sahel izay tany somary karankaina, ary ny lohasahan' ny ony Niger ao atsimo izay hany faritra lonaka ao amin' io firenena io. Toetany mafana sy maina no manjaka ao Nizera.
Ny ankamaroan' ny mponina any dia Miozolmana fa ny Kristiana kosa dia vitsy anisa. Any amin' ny faritra atsimo no ahitana ny ankabetsahan' ny mponin' i Nizera, ao amin' ny faritra ambanivohitra indrindraindrindra. Ny fambolena no loharanon-karena voalohany any Nizera.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3b/Niger_Regions.png/320px-Niger_Regions.png)
Zanatany frantsay taloha i Nizera izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1960.