Ponina voalohany tao Madagasikara From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Vazimba dia heverina ho mponina voalohany teto Madagasikara, talohan' ny nahatongavan' ny Austrôneziana izay fototry ny Malagasy ankehitriny, izay nonina indrindra tany amin' ny faritra nentim-paharazana onenan' ny Merina sy ny Betsileo sy ny Bara, ary tany Anjozorobe, talohan' ny nanjakan-dRabiby sy Andriamanelo (taonjato faha-16). Feno zava-miafina sy angano ny tantaran' izy ireo, izay nampitaina am-bava teo amin' ny taranaka nifandimby.
Mbola tsy fantatra mazava ny tena fiavian' ny Vazimba. Misy petra-kevitra milaza fa mety ho avy amin' ny onjam-pifindra-monina talohan' ny an' ny Aostrôneziana izy ireo, angamba avy atsy Afrika na avy any Azia. Milaza ny lovantsofina fa niaina any anaty ala tany amin' ny faritra afovoan' i Madagasikara izy ireo, niaina amin' ny fiotazana zavamaniry sy ny fihazana. Nalaza amin' ny fahalalany ny zavaboary sy ny fanaony ara-panahy izy ireo. Matetika no lazaina fa keliray ny Vazimba, na dia misy aza ny angano sasany izay milaza fa nisy amin' izy ireo ny lavabe dia lavavabe, toa an-dRapeto.
Teo amin' ny tantaran' ny Malagasy dia manondro ny fotoana mialoha ny fisian' ny fanjakana voalamina sy ny fahatongavan' ny tarana-mpanjaka samihafa ny vanim-potoana faha-Vazimba, indrindra ny any amin' ny faritr' Imerina. Nifarana tamin' ny fipoiran' ny fanjakan' i Alasora, teo ambany fitondran' ny mpanjaka Andriamanelo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-16, io vanim-potoana io. Mbola zava-miafina hatrany ny fomba nanjavonan' ny Vazimba na nifangaroany tao amin' ny vahoaka aostrôneziana. Milaza ny lovantsofina sasany fa nilentika lalina kokoa tany anaty ala izy ireo, fa ny hafa kosa miresaka momba ny firaisan' izy ireo tsikelikely amin' ny vahoaka vao tonga taty aoriana.
Matetika ny Vazimba no heverina ho manana hery miafina, izay ahafahany mifandray amin' ny fanahy eny amin' ny zavaboary sy mahatonga azy ho afaka manasitrana ary ny maminavina ny tsy hita sy ny hoavy. Mbola toeram-pivavahana sy naovana fombafomba ny fasan' izy ireo sy ny toerana manan-kasina mifandray amin' izy ireo ankehitriny. Na dia mifangaro fedrà na angano aza ny tantaran' ny Vazimba dia manana toerana lehibe eo amin' ny fisainana sy ny kolontsaina malagasy. Heverina ho razamben' ny Malagasy tonga voaloha teto Madagasikara izy ireo, ary miampita amin' ny alalan' ny angano sy lovantsofina ary fanao ara-pivavahana samihafa ny fahatsiarovana azy.
Ny teny hoe vazimba dia mety ho avy amin'ny teny daiaka sy maley hoe wa-yimba izay midika hoe na "vahoakan'ny ala". Ireo vahoaka tany amorontsiraka kosa dia nantsoina hoe vezo na bejo avy amin'ny teny maley hoe bajao. Ny teny hoe wa na va dia midika "andian'olona" na "vahoaka madinika". Niaraka tonga ny Vazimba sy ny Vezo saingy rehefa nahita ny Vazimba fa tsy azo ambolena ny morontsiraka dia niakatra ampovoantany izireo.
Mizara ny hevitra raha ny amin' ny toerana niavian' ny Vazimba no resahina, nefa ny fiavioana aostrôneziana no tazomin' ny ankamaroan' ny mpikaroka.
Efa niadian-kevitra hatry ny ela ny flazana fa avy atsy Afrika ny Vazimba. Nandritra ny fotoana ela, ny fiheverana momba ny fiaviana afrikana dia be mpanohana, saingy ny fikarohana vao haingana, indrindra ny nataon' ny mpahay teny sy ny arkeôlôga ary ny mpandalina ny fototarazo, dia mitodika mankany amin' ny fiaviana aostrôneziana indrindra.
Mampiseho ny fisian' ny olombelona teto Madagasikara nanomboka tamin' ny 2000 taona lasa teo ho eo ny fikarohana arkeôlôjika, mifanojo amin' ny fielezan' ny Aôstrôneziana tao amin' ny Ranomasimbe Indianina izany. Mampiseho zavatra ara-kolontsaina sy ara-pitaovana mifandray amin' i Azia Atsimo-Atsinanana ny toerana arkeôlôjika tranainy indrindra. Noho izany dia taranaky ny mpiondrana an-tsambo aostrôneziana izay tonga tany amin' ny 2000 taona lasa ny Vazimba, amin' ny maha mponina voalohany teto Madagasikara azy ireo.
Ny Vazimba dia ny Maley sy ny Indôneziana ary ny Pôlineziana, izany hoe Aostrôneaziana, tonga voalohany taty Madagasikara talohan' ny taonjato faha-3 na fah-4 (fa hatramin' ny taonjato faha-14 dia mbola nisy Maley tonga foana teto izay razana nipoiran' Andriamanelo sy ny mpanjaka sakalava teo Alasora).
Tsy nety tamin' ny Vazimba anefa ny nonina tany anindrana noho ny antony maro. Misy lovantsofina milaza fa narendriky ny ranomasina ny lakana nitondra an' ireo Maley sy Indôneziana ireo ka nanozona izy ireo fa tsy hanitsaka sy tsy hihinana sira intsony ka hany nataony nandao tanteraka ny moron-dranomasin' i Madagasikara, satria ny ranomasina dia misy sira, ary niditra taty afovoantany. Manaporofo izany, ny Vazimba dia saika fady sira. Misy kosa anefa milaza fa ireo Maley sy Indôneziana ireo dia mpamboly vary ka taty afovoantany no mety tsara amin' izany fambolena izany ka antony nahatonga azy niakatra taty anivon' ny Madagasikara izany.
Olona toa antsika ihany ny Vazimba satria isika Malagasy dia tarana-bazimba avokoa afa-tsy ny taranaky ny andevo avy any Afrika tamin' ny andron-dRanavalona I.
Misy lava tokoa ny Vazimba satria i Rapeto izay "nilalao volana" dia voalaza fa Vazimba ka ny dian-tongony dia mbola lehibe tokoa araka ny hita amin' ny vatolampy ao Ambohidrapeto. Misy fohy koa ny Vazimba toa an-dRafohy renin' Andriamanelo izany fa ny anarany aza dia Rafohy satria tratra antitra izy fa tsy sanatria fohy kely akory. Fa maro amin' ny Vazimba kosa no antonony tsy lava tsy fohy. Manaporofo izany, ny fikarohana arkeôlôjika tamin' ny fasam-bazimba maro dia mampiseho fa ny taolambalon' ny Vazimba rehetra voakaroka dia mampiseho fa olona mirefy manodidina ny 1m 65 ny Vazimba ary raha lava dia 1m 80. Ny Vazimba koa dia tsy olona mainty fihodirana, satria tamin' ny andron-dRabiby sy Ralambo dia "angaralahy" no fiantso ny olo-mainty fa tsy mba Vazimba akory. Manamporofo indray fa ny Vazimba dia Maley sy Indôneziana izay fotsy fihodirana na mavo na somary mangamanga fa tsy mainty akory.
Ny Vazimba dia matetika monina amin' ny tampon-kavoana ary tsy mba manao hadivory izy fa vato no alahadahany sy ataony mifanongoa ho fefin-tanàna. Araka izany, tsy ny mpanjaka arabo na maley akory no nanana ny kolontsaina mitoetra amin' ny tampon-tendrombohitra fa fahendrena nolovainy tamin' ny Vazimba izany. Manaporofo izany, Ankotrokotroka (Ambohidrabiby) dia fonenan' Andriampirokana tany am-boalohany vao nitoeran-dRabiby ary Analamanga dia toeran' ny Vazimba vao nitoeran' Andrianjaka. Araka izany, ny razan' ny andriana merina dia saika nanao izay hipetrahana tamin' ireny toerana efa nisy Vazimba ireny.
Tena tia mampiasa vato ny Vazimba ka amin' ny tanàna na amin' ny fasany dia saika ahitana ireny vato mifanongoa ireny, izay mbola hita ao an-tampon' Ankaratra sy ao Lohavohitra, ary mbola ny Vazimba koa no nahitana ireny vatolahy na vatomasina ireny mba hanaovana joro sy hataka amin' ny zanahary ka maro ireny vato ireny no atao hoe "vatom-bazimba". Araka izany, ny fomba fanaon' ny andriana merina mahakasika ny vato dia saika nolovainy tamin' ny fomba sy fahendrena vazimba avokoa.
Ny Vazimba dia olona mpandala fihavanana sy tsy tia ady, ka izany no naharesen'ireo Maley sy Arabo azy mora foana. Aleony hono mitsoaka toy izay misy rà latsaka satria masina aminy ny ràn' olona latsaka. Nanomboka tamin' ny vanimpotoana nidiran' ny Maley tonga farany sy ny Arabo ary ny Vazaha mantsy hono no nanomboka nikorontana i Madagasikara sy niadiady ny foko maro tao aminy fa tamin' ny Vazimba dia to ny fihavanana ary ny Vazimba no nandovan' ny Malagasy ny fihavanana. Tia fifanajana koa ny Vazimba ka izany hono no mahatonga ireny olona manazimbazimba ireny fasam-bazimba ireny hiolan-tenda na harary satria hataon' ny fanahin' ireny Vazimba ireny ho tsy manaja ilay fasany ilay olona.
Mitsitokotoko ho zana-poko maro ny Vazimba ary manana ny mpanjakany izy izay ifandovana raha nofidiana izany tany amboalohany. Tsy mba nisy kosa ny mpanompo na hova tamin' ny androny.
Mivavaka amin' i Zanahary ny Vazimba. I Zanahary mantsy dia andriamanitra saika niraisan' ny Vazimba niely eran' ny Nosy. Avy amin' ny teny maley tranainy hoe zan'ahary ny hoe zanahary. Ary anaran' andriamanitry ny Maley tranainy io Zan Ahary io izay midika hoe "andriamanitra masoandro". Ny hoe ahary mantsy dia fototeny amin' ny hoe johary ary amin' ny Ntaolo, ny tara-masoandro no antsoiny hoe "andriamanitra tonga an-trano".
Ny Vazimba no nandovan' ny Malagasy ny finoana ny hasina ary ny Vazimba dia mihevitra ny tenany ho "taranaky ny manan-kasina" ka amin' ny toerana misy azy dia saika namboleny hasina. Ny Arabo sy Maley (vao tonga tamin' ny taonjato faha-16), izay nivady tamin' ny Vazimba vavy dia nandova avy hatrany ny finoana ny hasina tamin' ny Vazimba ka ny taranany dia nataony ho tompon-kasina ary ny vohitra nisy azy dia namboleny hasina hatrany mba hanehoany izany hasina ao aminy sy ny taniny izany. Porofon' izany, ny hazon' andriana toy ny aviavy sy amontana dia tsy misaraka amin' ny hasina ary matetika ny hasina no tsy maintsy mijoro amin' ny vohitr' andriana fa ny aviavy sy amontana azo leferina ihany ny tsy fisiany. Araka izany, ny hasina dia tsy hazom-bazimba fotsiny fa indrindra hazom-panandratana amin' ny zanahary ary hazon' andriana.
Mandevina ny Vazimba ary fasana tokana isan' olona ny azy. Matetika koa dia tsy mba tia alevina anaty tany izy fa ambony vato satria tsy tiany hohanin' ny kankana ny vatany, raha tsy izany dia alevina anaty hazo izy ka atao toy ny lakana mifanarona ny hazo. Misy milevina amin' ny tany ihany anefa ny Vazimba. Matetika ireny fasam-bazimba ireny dia eny an-tampon-kavoana no anaovany azy. Mino ny razana ny Vazimba, ary ny finoan' ny Malagasy ny razana dia nolovainy tamin' ny Vazimba.
Na dia mpilalao ody aza ny Vazimba, ireny ody ireny dia tsy mba nentiny nanaovana ratsy na namosaviana fa nampandrosoana sy nanasoa hatrany ny fiarahamonina.
Tsy ny Arabo na ny Maley vao tonga tamin' ny taonjato faha-11 akory no nitondra ny fototry ny teny malagasy fa ny Vazimba tonga teto Madagasikara talohan' ny taonjato faha-4. Ny Vazimba no niely patrana eran' i Madagasikara ka nifanambady tamin' ny Afrikana vao tonga ka nanome ny fiteny atandroy, fiteny bara, fiteny sakalava, fiteny antankarana sns. Ny Vazimba koa no nivady tamin' ny Arabo sy Maley vao tonga taty anivon' ny riaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka nahazoana ny fiteny betsileo, fiteny merina, fiteny sihanaka, fiteny bezanozano, fiteny bara, sns...
Ny vary sy ny saonjo no foto-tsakafon' ny Vazimba ary tsy mba mihinana omby izy fa ny ronono no nosotroiny. Ny akoho dia kosa no fihinany. Ankoatra izay dia mioty sy mihaza no ataony. Efa nahandro tamin' ny afo koa izy ary efa nanao ny fanandroana koa. Tsy mba nitafy lamba izy ary tsy mbola nahay nanenona landy fa ny andriambavy arabo izay nahay nanenona no nitondra izany taty anivontany. Ravin-kazo norariana kosa no fitafiny ary ravin-kazo norariana koa no anamboarany ny tranony ka izany no tsy nahitana tranom-bazimba mandraka ankehitrio.
Araka ny lovantsofina dia saika amin' ny faritra afovoan' ny Nosy no niely patrana ny Maley sy ny Indôneziana. Tamin' ny taonjato faha-16 dia mbola saika ny Vazimba no nonina tao Ankova sy tao Ibetsileo. Nifanambady tamin' ny taranaka maley vaovao vao tonga taty anivon' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-16 ny sasany tamin' ny Vazimba, koa izany no ilazan' ny lovantsofina fa Andriamanelo dia Maley nefa ny renibeny dia Vazimba. Toy izany koa Rabiby izay voalaza fa Arabo nefa ny vadiny, Ramaintsoakanjo, dia Vazimba.
Fa ity mpanjaka arabo atao hoe Rabiby ity anefa, angamba noho ny maha mpino silamo azy izay tsy tia ny fanaovana ody, no tezitra tamin' ny Vazimba sy nandroaka azy, ary nanomboka teo dia nataon' ny tarana-dRabiby lao monina ny Vazimba tao Imerina ka hany hery nitsoaka niakandrefana. Hoy mantsy ny filazan' ny lovantsofina tamin' izany: Rabiby no nandroaka an' Andriampirokana teo Ankotrokotroka, ary Andriampirokana nitsoaka tamin' ny zohy atsimo amin' Ankotrokotroka ka namonjy an' Analamanga (atao hoe Antananarivo tamin' Andrianjaka); ary Andrianjaka nandresy sy nandroaka ny Vazimba teo atsinanan' Ambohidrabiby sy teo Ambohimanaga sy teo Analamanga; ary ny Vazimba tamin' ireny toerana ireny dia lasa niankandrefana nankeo Antehiroka, Babay, Lohavohitra sy any Imamo, eny hatrany amin' ny faritra sakalava.
Rabiby sy Andriamanelo no mpanjaka merina voalohandohany (sady jiosy no maley hoy ny lovantsofina sasany), ny olomainty mpanompony no angaralahy, fa ny sisa efa nonina taty anivontany tamin' izany dia Vazimba. Rabiby no nanenjika voalohany ny Vazimba sy nanosika azy handositra.
Araka ny tantara, ny mpitondra fanjakana jiosy tonga taty anivon' i Madagasikara (taty amin' ny tanin' ny Merina sy ny an' ny Betsileo) nanomboka tamin' ny taonjato faha-15, no nampiasa voalohany ny teny hoe vazimba mba hiantsoany ny mponina efa tompontany taty anivon' ny riaka tamin' ny fahatongavany teto. Ohatra amin' izany, Rangita sy Rafohy renibeny dia voalazan' ny lovantsofina fa Vazimba. Toy izany koa, Rabiby raha nandao an' Ambohitsitakatra Anjozorobe, dia tonga teo Ankotrokotroka (tato aoriana lasa Ambohidrabiby), ka nandroaka ny mponina teo izay Vazimba no nahafantarany azy .
Arak' izany, ny hoe vazimba dia tsy teny hiantsoana firazanan' olona na fanahin' ny maty akory (araka ny filazan' ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba) fa anarana iantsoan' ireo mpiavy ny tompontany taty anivon' ny Nosy raha tonga taty anivontany tamin' ny taonjato faha-16. Izany dia manaporofo fa tena olona tokoa ny Vazimba toa an-dRapeto sy Rasoalao, ary indrindra ny Antehiroka izay Vazimba avokoa.
Araka izany, ny teny hoe vazimba dia saika nampiasaina manerana ny faritra anivon' i Madagasikara ary amin' ny sisintany andrefan' i Madagasikara satria ny mpiavy sendra azy ireo dia saika nampiasa io anarana io avokoa hiantsoana ny mponina efa teo taloha.
Nisy tamin' ny Vazimba no tonga vadin' ny Arabo sy Maley vao tonga ka lasa loharano nipoiran' ny andriana merina sy betsileo. Taty Imerina, ny mpanjaka Ralambo teo Ambohidrabiby ohatra dia tarana-bazimba avy amin' ny rainy izay tera-dRafohy vazimba sy avy amin' ny reniny izay zana-dRamaintsoakanjo vazimba. Araka izany, ny andriana merina dia saika tarana-bazimba.
Ny Vazimba izay tsy nandositra tamin' ny ady nataon' ny Maley tonga farany sy ny Arabo nefa tsy novadian'ireo Arabo sy Maley vao tonga dia tonga "hova" na "vohitra" fa tsy mba natao ho mpanompo akory. Araka izany, ny taranaka Hova na "Folovohitra" taty Imerina sy Ibetsileo dia saika tarana-bazimba.
Misy kosa anefa ny Vazimba izay tonga olona akaikin' ny taranak' Arabo izay nanorina fanjakana ka nomen' ireo taranak' Arabo ireo anjara asa sy nosokajiany ho "havan' andriana", anisan' izany ny zanak' Antehiroka.
Any andrefana moa no nitsoahan' ny Vazimba satria mbola malalaka ny tany any no koa tsy te hiantsinanana izy satria tany amorontsiraka atsinanana hono ny razambeny no vaky sambo. Araka izany, ny Vazimba taty Imerina dia niakandrefana ka tonga hatrany amin' ny faritra Sakalava ny sasany tamin' izy ireo.
Ary ny Vazimba nandositra niakandrefana dia mbola maro ny taranany ankehitrio ka nifanambady tamin' ny vondrona isan-karazany faritra andrefan' i Madagasikara ka namorona ny foko toy ny Sakalava, ny Antakarana, ny Tsimihety, ny Sihanaka, sns.
Saika nihomehezan' ny Arabo sy Maley vao tonga moa ny Vazimba noho izy ireo katahotra sy mpinompino foana hono ka raha misy olona ambanimbany hono na voatohintohina ny zony na ny fadiny dia ataon' ny olona hoe "voazimbazimba" ny fiteny izany olona izany.
Ankehitrio dia mbola raiki-tampisaka amin' ny Malagasy maro ny finoana ny Vazimba, ka mivavaka aminy. Mbola maro koa anefa ny Malagasy no menatra ny atao hoe "tarana-bazimba" anefa anie ka raha fantany fa ny Vazimba, na dia mpilalao ody aza, dia tsy mba nanao izany ho famosaviana fa nanasoavany hatrany ny tontolony mba ho masina hatrany izy sy ny taranany ary i Madagasikara tanidrazany.
Koa isaky ny maheno ianao hoe "Masina ny Tanindrazana" na koa "fihavanana, soatoavina malagasy" dia tsiahivo fa avy amin' ny Vazimba no nolovaintsika izany fomba fihevitra izany.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.