From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Beosy na Bôsy dia ilazana ny Vazimba nonina ao amin' ny Tsingin' i Bemaraha. Olona kely ray sady zeny izy ireo, mpihaza sy mpioty voan-javatra any anaty ala any afovoan-tanin' i Madagasikara. Tsy mitovy amin' ny Mikea izay mpihaza sy mpioty ary mpamboly any amin' ny tany iva a-morontsiraka izy ireo.
Ny Beosy dia miteny amin' ny fitenim-paritra malagasy. Niezaka nanao izay hahitana ny mety ho sisa tamin' ny voambolan' ny Vazimba tao amin' ny fitenin' ny Beosy i Blench sy Walsh araka ny soratra navoakan' izy ireo tamin' ny taona 2009. Tsapa fa betsaka dia betsaka ny voambolana izay tsy hita amin' ny fitenim-paritra malagasy hafa, izay betsaka noho ny hita ao amin' ny fiteny malagasin' ny Mikea sady mety ho ny sisa tamin' ny fototry ny fitenin' ny Vazimba raha mitaha amin' ny fitenin' ny Mikea, raha toa ka misy tokoa izany. Mihasarotra ny mety ho fisian' izany vokatry ny fampiasan' ny Beosy be loatra ny fitenenana iniana atao mba tsy hahafantaran' ny olon-kafa izay lazainy[1].
Ny foko eto Madagasikara
Ny vahoaka hafa eto Madagasikara
Foko ara-tantara eto Madagasikara
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.