Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India ary any atsimon' i Sina. Ireo firenena izay lazaina fa ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Myanmara, Tailandy, Malaizia, Indônezia, Filipina, Vietnamy, Laôsa, Broney Darosalama ary Kambôdia. Ao amin' i Azia Atsimo-Atsinanana ihany koa i Singapaoro, na dia tsindraindray izy voasokajy ho firenena aziatika tatsinanana, noho ny kolontsainy izay anjakan' ny kolontsaina sinoa.
Ny velarantany manontolon' i Azia Atsimo-Atsinanana dia eo amin' ny 4 000 000 km2. Ny isan' ny mponiny dia 593 000 000. Iray ampahaenin' ny mponina ao Azia Atsimo-Atsinanana no miaina ao amin' ny nosy Java, any Indônezia, izay nosy manana hakitroky ny mponina avo indrindra eto an-tany.
Sinoa telopolo tapitrisa ihany koa no miaina ao Azia Atsimo-Atsinanana, indrindraindrindra any Indônezia, any Malaizia, any Singaporo ary any Vietnamy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.