From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny landy dia tsiraka voajanahary vokarin' ny lolo na hala ary ampiasaina amin' ny fanenomana lamba sy zavatra vita amin' ny lamba. Maro ny bibikely mamokatra landy, anisan' izany ny hala (ladin-kala) sy ny fandain' ny lolo sasany (Yponomeutes, bombyx).
Ny lamba landy dia azo avy amin' ny mason-dandy (frantsay: cocon) vokarin' ny olitra (bibindandy) an' ny samoina (Bombix mori) ho an' ny landy ompiana, ary avy amin' ny olitra tussah (karazana fanday maromaro amin' ny karazana Antheraea) ho an' ny landidia. Mety teo anelanelan' ny taona 2000 sy 3000 tal. J.K any ho any no nahitana ny landy voalohany.
Ny teknika amin' ny famokarana landy dia nanomboka tamin' ny taona 2500 tal. J.K. any ho any ary avy any Sina tamin' ny alalan' ny Lalan' ny Landy. Nafenina hatramin' ny taona 560 izany. Nanomboka tany Eorôpa tamin' ny taonjato faha-6 ny famokarana landy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.