From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny angano dia tantara fohy izay an' ny karazana zavakantom-bahoaka ifandovana. Ny fitantarana toy izany dia matetika ahitana mazia sy ody ary zavaboary hafahafa. Ny mpandray anjara mahazatra ao anaty angano dia ny dragona, ny kalanoro, ny elfa, ny rapeto, ny kokolampy, trimobe, zazavavindrano, bibiolona, mpamosavy, mpanao hatsaranan, ny ombiasa, sns. Ny angano dia samy miseho am-bava na amin' ny endrika antsoratra. Maro amin' ny angano ankehitriny no nivoatra avy amin' ny angano efa nisy an-jato taonany, misy fahasamihafana kely, tao amin' ny kolontsaina maro manerana izao tontolo izao.
Ny tantaran' ny angano dia tena saro-potorina. Na izany aza, araka ny filazan' ny mpikaroka ao amin' ny oniversite any Durham sy Lisbonne, ny fitantarana toy izany dia mety efa an' arivony taona, ny sasany tamin' ny Andron' ny Alimo. Ny angano sy ny asa nalaina avy amin' ny angano dia mbola misy manoratra ankehitriny.
Ny Jataka[1] angamba no fanangonana angano tranainy indrindra amin' ny literatiora, ary ny ankamaroan' ny maro hafa dia efa mihoatra ny arivo taona. Azo antoka fa betsaka (angamba ny ampahadiminy) amin' ny literatiora malaza any Eorôpa ankehitriny dia avy amin' ny ampahany amin' izany rehetra izany izay niankandrefana niaraka tamin' ny Kroazada tamin' ny alalan' ny Arabo sy Jiosy.
Nanasokajy ny angano amin' ny fomba isan-karazany ny fôlklôrista (mpandalina literatioram-bahoaka). Ny fanasokajiana Aarne–Thompson–Uther sy ny famakafakana ara-drafitr' endrik' i Vladimir Propp no anisany tena misongadina. Ny fôlklôrista hafa dia nanakatra ny hevitry ny angano, saingy tsy nisy sekoly natsangana ho handalinana ny hevitry ny angano.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.