Ankamantatra

From Wikipedia, the free encyclopedia

Ny ankamantatra dia fanambaràna na fanontaniana misy heviny miafina, sy natao hovahana, homem-baliny. Misy karazany roa ny ankamantatra, dia ny olana ambara amin' ny ankapobeny amin' ny fiteny an' ohatra na fanoharana izay mitaky faharanitan-tsaina sy fieritreretana amim-pitandremana mba hahitana ny vahaolana, ary ny fanontaniana miorina amin' ny kilalaon-teny ahitana teny mitovitovy fanonona na manana heviny maro.

Eo amin' ny fanabeazana dia miendrika fialamboly ny ankamantatra, izay mamporisihana ny ankizy handinika ny tontolo manodidina azy, misarika ny sainy handinika ny fahamarinan' izay nolazaina. Ohatra; "Tanora banga, antitra vao boribory". Valiny: ny Volana. Voakitika ny sainy handinika ny momba ny Volana.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.