From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny angano dia fitantarana zavatra tsy nisy nefa namboarina ho toy ny nisy ary natao hanatsoahana fananarana, na fitantarana zava-nitranga tokoa. Karazana lahabolana tsotra, lava ary miendrika tantara foronina ny angano noho ny dingana hita ao anatiny sy ny mpandray anjara ary ny olana sy ny vahaolana hita taratra ao amin' ny fitantarana.
Izao no amaritan' i Rajemisa-Raolison Régis ny angano: "Tantara ifandovana an-dovantsofina mampiseho zavatra toa tsy azo inoana, izay angamba marina ihany tany an-tendrony, saingy novaovan' ny taranaka nifandimby taty aoriana: Ny anganon' Ikotofetsy sy Imahakà"[1].
Manana hevitra manokana ny teny malagasy hoe angano, tsy azo ampitovina fotsiny amin' ny teny frantsay hoe conte na mythe izay tsy mitovy dika aminy. Ny "conte" dia entina manazava ny fiainan' olombelona avy amin' ny fanoharana azy amin' ny samy olombelona na amin' ny zavaboary hafa. Matetika amin' izany dia misy lohateny vahavahana mandritra ny angano iray manontolo. Ohatra: "Ny tanalahy sy ny lambo". Ny fedrà ("mythe") dia karazana angano manazava ny fiandohana na ny fiforonana. Ohatra: "Ifara sy i Trimobe".
Ny Ntaolo dia nanabe ny taranany tamin' ny alalan' ny fitantarana angano amin' ny hariva. Isaky ny maheno angano ny ankizy dia manatsoaka lesona, mahalala zava-baovao momba ny fiainana.
Ankehitriny dia mila tsy hananana ny anjara toerana notanany taloha ny angano noho ny fisian' ny fitaovana vokatry ny teknôlôjia vaovao toy ny sary miaina sy ny kilalao elektrônika. Tantaraina am-bava ny angano tamin' ny andro taloha fa ankehitriny dia maro ny voasoratra am-boky. Ankehitriny dia tsy mahavatra mitantara angano amin' ny zanany na ny zafikeliny na ny mpianany ny ray aman-dreny sy ny raibe na renibe ary ny mpampianatra.
Fitaovana ahafahana manabe sy manefy ny maha olona ny olona ny angano. Mahatonga ny ankizy haharesy ny tahotra ao aminy sady ahazoany fanazavana tsotra momba ny fianana ny angano. Ahafahan' ny ankizy mizatra ireo lohahevitra lehibe toy ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fomba amam-panao, ny fahasahiana sy ny hakanosana, ny fahantrana sy ny fananan-karena, ny tsara sy ny ratsy. Ny angano dia mitondra fahalalana momba ny teny sy ny fiteny satria heno ao daholo ireo voanteny tsy faheno andavanandro. Fitaovam-pampianarana ny angano noho izy afaka mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin' ny fotoana lasa. Mandefa ny fisainana any amin' ny lasa ny angano.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.