Ny Zanahary na Haky, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa ambin' ny folo, anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Ombiasa sy ny an' ny Tovolahy ny Zanahary. Manondro an' i Zanahary na Andriamanitra ny Zanahary.

Fanasokajiana

Anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy.

Fahazoana ny Zanahary

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Zanahary: misy "lohany" sy "tratrany" sy valahany" na "vaniany" ary "tongony". Mba hahazoany ny soratry ny Zanahary dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Ombiasa sy an' ny Tovolahy ny mpisikidy, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny valahana na vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Fampifanampiana ny soratry ny Zanahary

Ny fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Zanahary sy an' ny Tale no ahazoana ny tsanganana Trano na Kiba (tsanganana faha-16).

Hevitry ny hoe Zanahary

Manondro an' i Zanahary na Andriamanitra ny Zanahary na Haky. Ny Zanahary dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny soratry ny Zanahary no ahazoana ny mombamomba izay lazaina eto hoe "zanahary" na "Zanahary".

Jereo koa

Tahirin-kevitra azo anovozana

Boky

  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.