From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Lalana, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahadimy ambin' ny folo, anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Tale sy ny an' ny Maly ny Lalalana, izay manondro ny lalana, araka io anarany io.
Anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, ny Lalana.
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Lalana: "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny tsanganana Fahavalo no ahazoana ny tsanganana Lalana: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Tale sy ny an' ny Maly, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Apetraka somary ankavia kokoa eo ambanin' ny fàfana misy ny renin-tsikidy ny Fahavalo.
Ny fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Asorotà sy Lalana no ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14).
Manondro ny lalana, araka io anarany io, ny Lalana. Ny Lalana dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny soratry ny Lalana no ahazoana ny mombamomba ny "lalana".
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.