From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Maly, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa, iray amin' ny tsanganan-tsikidy enina ambin' ny folo, izay apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana faharoa farany avy ankavanan' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Maly. Anarana iantsoana ny harena ny Maly.
Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Maly, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany (ankavanany) dia ny Tale, ary ny hafa manarakarala azy (eo ankavia) dia ny Fahatelo, ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.
Aorian' ny fahazoana ny Tale no ahazoana ny Maly: manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan' ny lohan' ny Tale mba hamoronany ny lohan' ny Maly. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran' ny Maly izay apetrany eo ambanin' ny lohany. Ampiharina fanintelony amin' ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny tongotry ny Maly.
Ny fanakambanana ny lohan' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an' ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.
Ny Maly dia anarana iantsoana ny "harena" amin' ny sikidy. Io no anjara asa faharoa ao amin' ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny fiharian-karen' ny "mpanontany". Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Maly ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "vaniany" ary "tongony". Ny Maly dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.