Tale (sikidy)
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tale, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy voalohany, iray amin' ny tsanganan-tsikidy enina ambin' ny folo, izay apetraka any amin' ny farany ambony sy farany ankavian' ny fàfana fitambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Tale. Anarana iantsoana ny "mpanontany", izany hoe ny olona manatona mpisikidy mba hahalala zavatra.
Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Tale, ka ny tsanganana hafa manarakarala azy, izay samy renin-tsikidy, dia ny Maly, ny Fahatelo, ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka dia lazaina hoe tera-tsikidy, dia tsy inona izany fa ny Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano (na Kiba na Akiba).
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Tale ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " (na "vaniany") ary "tongony". Mba hahazoana ny Tale dia raisin' ny mpisikidy amin' ny tanany havia ny voan-tsikidy ka anaovany toko efatra eo ambony lafika (tsihy na zavatra hafa). Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanany mba hamoronany ny "lohany". Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny "tratrany" izay apetrany eo ambanin' ny "lohany". Ampiharina fanintelony amin' ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny "vaniany". Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny "tongony".
Ny fanakambanana ny lohan' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo.
Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an' ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana. Ny fampifanampiana ny soratry ny Tale sy ny an' ny Zanahary no ahazoana ny soratry ny Trano (na Kiba na Akiba).
Ny Tale dia anarana iantsoana ny "mpanontany" amin' ny sikidy. Io no anjara asa voalohany ao amin' ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny eritreritra na ny toetran' ny "mpanontany". Ny atao hoe "mpanontany" eto dia ny olona manatona mpisikidy mba hahalala zavatra. Ny Tale dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.