From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fahavalo, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahavalo, mipetraka eny amin' ny fàfana farany ambony, anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain' ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny rafy na ny mpifanandrina amin' ny tena.
Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Fahavalo.
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahavalo: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny Alisay no ahazoana ny Fahavalo: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny tongotry ny Tale no lohany, ny tongotry ny Maly no tratrany, ny tongotry ny Fahatelo no vaniany ary ny tongotry ny Bilady no tongony.
Ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny an' ny Fahavalo no ahazoana ny soratry ny Fahasivy (tsanganana faha-9) izay anisan' ireo atao hoe tera-tsikidy.
Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny rafy na ny mpifanandrina amin' ny tena, ao amin' ny sikidy malagasy. Ny fanakarana ny hevitry ny soratry ny Fahavalo no manambara ny mombamomba ny rafy na ny fahavalo na ny mpifanandrina amin' ny tena. Ny Fahavalo dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.