From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kiba na Akiba na Trano, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahenina ambin' ny folo farany, anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Zanahary (na Haky) sy ny an' ny Tale no ahazoana ny Kiba, izay anondroana ny trano fonenana tokoa na ny trano.
Anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, ny Kiba.
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Kiba na Trano: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Mba hahazoany ny soratry ny Kiba dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Zanahary sy ny an' ny Tale ny mpisikidy, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Tsy misy intsony ny tsanganan-tsikidy vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Trano amin' ny an' ny tsanganana hafa. Tsy miteraka ny Kiba.
Anondroana ny trano fonenana tokoa ny trano ny Kiba. Ny Kiba dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny Kiba no ahalalana ny mombamomba ny "trano fonenana".
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.