Tantaran' i Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tantaran' i Madagasikara dia tantaran' ny firenena sy ny mponina eto Madagasikara, izay nosy lehibe ao amin' ny tapany andrefan' ny Ranomasimbe Indiana, ao atsimo-atsinanan' i Afrika.
Miavaka tsara ny tantaran' i Madagasikara noho ny fitokana-monina tany am-boalohany avy amin' ny kôtinanta goavana, ny Pangea, izay niaty ny Kôntinenta Afrikana sy ny Zana-kôntinenta Indiana, ary ny fiorenam-ponenanan' ny olombelona avy any amin' ny nosy Sunda (ao amin' ny Vondro-nosy Maley) sy avy ao Afrika Atsinanana[1]. Ireo anton-javatra roa ireo no nanamora ny fivoarana sy ny fahaveloman' ny karazana zavamaniry sy biby tsy manam-paharoa anarivony, izay efa lany tamingana ny sasany na atahorana ho lany tamingana amin' izao fotoana izao. Ny varotra tao amin' ny Ranomasimbe Indiana tamin' ny fiorenam-ponenan' ny olona voalohany teto Madagasikara dia nanjakan' ny sambo indôneziana, angamba karazana sambon' i Borobudur na karazana sambolain' i K'un-lun po[2][3].
Tao anatin' ny roa arivo taona lasa izay, ny Nosy dia nahazo andiam-pifindra-monin' olona samy manana ny fiaviany, anisan' izany ny Aostrôneziana, ny Banto, ny Arabo, ny Aziatika Tatsimo, ny Sinoa ary ny Eorôpeana. Ny ankamaroan' ny mponina eto Madagasikara ankehitriny dia fifangaroan' ny Aostrôneziana sy ny Banto. Na dia eo aza ny lovantsofim-bahoaka dia tsy nisy fidiran' ny fototarazo avy amin' ny Arabo na Indiana, na dia misy foko iray, ny Antemoro, izay milaza fa avy amin' ny Arabo Sômaly mpivarotra. Ao koa ny razambe avy any Eorôpa sy avy ao Afovoany Atsinanana[4].
Ny taonjato maro nisian' ny fifanambadiana no namorona ny Malagasy niteny malagasy voalohany indrindra, izay fiteny aostrôneziana ahitana singa avy amin' ny fiteny banto, maley, ôseanika, arabo, frantsay ary anglisy. Ny ankabeazan' ny firafitry ny fototarazon' ny Malagasy salantsalany anefa dia maneho ny fifangaroana mitovy amin' ny Aostrôneziana sy ny Banto[5][6]. Ny vahoaka malagasy dia niforona tamin' ny alalan' ny fifangaroan' ny mponina voalohany amin' ny mpifindra monina taty aoriana. Nisy vondrom-poko hafa izay matetika nifangaro amin' ny mponina nisy amin' ny fomba voafetra kokoa na nikatsaka ny hanana fiarahamonina miavaka amin' ny ankamaroan' ny Malagasy.
Tamin' ny Andro Antenatenany, foko maherin' ny roa ambin' ny folo no nipoitra teto amin' ny Nosy, izay samy nanana ny lehibe mpitondra azy. Ny foko sasany, toy ny Sakalava sy ny Merina ary ny Betsimisaraka, dia nampiraisin' ny mpitondra azy izay nanangana fanjakà-mpanjaka, izay nahazo harena sy fahefana tamin' ny alalan' ny fifanakalozana ara-barotra amin’ ny Eorôpeana sy ny Arabo ary ny tantsambo hafa, anisan' izany ny jiolahin-tsambo.
Teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy faha-18 dia fahita matetika ny asan-jiolahy teny amin' ny morontsirak' i Madagasikara. Niorina teo amin' ny nosy Sainte Marie, izay nisy Malagasy nonina tamin' ny voalohany, ny zanatanin-jiolahin-tsambo atao hoe Libertalia na Libertatia. Ny Fanjakana Sakalava sy ny Fanjakana Merina indrindra no nanararaotra ny varotra eorôpeana mba hanamafisany ny herin' ny fanjakany, ka nivarotra andevo malagasy natakalo basy eorôpeana sy entana hafa. Nandritra izany fotoana izany, ny tantsambo eorôpeana sy arabo miasa eny amin' ny Ranomasimbe Indiana dia nivarotra tamin' ireo foko amorontsiraka, ary ny Eorôpeana dia nanandrana nitaky sy nanjanaka ny Nosy nefa tsy nahomby. Nanomboka tamin' ny fiandohan’ ny taonjato faha-19, ny Britanika sy ny Frantsay dia nifanandrina teto Madagasikara.
Tany amin’ ny faramparan' ny taonjato faha-19, ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia nampiray indray ny Fanjakan' Imerina izay be mponina ao amin' ny faritra afovoan-tany, izay nanao an' Antananarivo ho renivohitra. Ny zanany Radama I dia nanitatra ny fahefany tamin' ny fanjakana hafa teto amin' ny Nosy ary izy no mpanjaka malagasy voalohany neken' ny firenena vahiny ho mpitondra ny Fanjakana Merina. Taorian' ny fikasana mahery vaika nataon' ny mpanjakavavy Ranavalona I (1828–1861) mba hanafoanana ny herin' ny kristianisma, nandritra ny taonjato faha-19, dia nisy tamin' ny mpanjaka merina nirotsaka tamin' ny fanavaozana tamin' ny alalan' ny fifandraisana ara-diplômasia akaiky tamin' i Britaina Lehibe izay nitarika ho amin' ny fananganana sekoly sy andrim-panjakana ary fotodrafitrasa araka ny môdely eorôpeana. Ny kristianisma, izay nampidirin' ny London Missionary Society, dia natao ho fivavaham-panjakana teo ambany fitondran' ny mpanjakavavy Ranavalona II sy ny praiminisitra Rainilaiarivony. Ny ady ara-pôlitika teo amin' i Britaina Lehibe sy i Frantsa tamin' ny taompolo 1880 dia nahatonga an' i Britaina Lehibe hanaiky ny fahefan' i Frantsa teto amin' ny Nosy. Izany dia nitarika ho any amin' ny Prôtektôrata malagasy tamin' ny taona 1890, izay nolavin' ny governemantan' i Madagasikara. Natomboky ny Frantsay ny Ady Hova-Frantsay roa izay nanery ny fankatoavana, ka niditra tao amin' ny renivohitra sy nahazo azy izany tamin' ny Septambra 1895. Nitohy izany fifandonana izany tamin' ny fikomian' ny Menalamba, izay niely patrana, hanoherana ny fitondrana frantsay, nefa nopotehin' ny Frantsay tamin' ny taona 1897 izany. Rava ny Fanjakan' i Madagasikara, ary natao sesitany tany La Réunion ny mpanjakavavy Ranavalona III sy ny namany ary tany Alzeria tatỳ aoriana, ary tany no nahafatesany tamin' ny taona 1917. Taorian' ny fandresena dia nofoanan' ny Frantsay tamin' ny taona 1896 ny fanandevozana, ka andevo miisa 500 000 teo ho eo no nafahana[7].
Teto Madagasikara zanatany frantsay, ny Malagasy dia tsy maintsy nanatanteraka ny asa fanompoana (frantsay: corvée) tamin' ny tany fambolena midadasika tantanin' ny Frantsay, izay nampidi-bola be ho an' ny fitondrana mpanjanaka. Voafetra ihany koa ny fahafahan' ny Malagasy hahazo fanabeazana na toerana mitady olo-mahay ao anatin' ny rafitry ny fanjanahantany, na dia sambany aza no niitatra tany amorontsiraka ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana. Niova sy nohavaozina ny renivohitra, ary novana ho sekoly ny lapan' ny mpanjaka izay lasa tranombakoka taty aoriana.
Na dia nosakanana tsy hanangana antoko pôlitika aza ny Malagasy tamin' ny voalohany dia nisy fikambanana miafina nasiônalista mpitolona maro nipoitra, ka anisan' izany ny Vy Vato Sakelika izay tena nisongadina, naorin' ny Ny Avana Ramanantoanina. Maro ny Malagasy voatendry hiady ho an’ i Frantsa tamin’ ny Ady Lehibe I sy II, ary nandritra ny Ady Lehibe II dia teo ambany fahefan' i Vichy i Madagasikara talohan’ ny nahazoana sy nibodoan' ny Britanika azy tamin' ny Adin' ny Britanika sy ny Frantsay teto Madagasikara (anglisy: Battle of Madagascar; frantsay: Bataille de Madagascar). Tamin' ny Fihaonambe tao Brazzaville tamin’ ny taona 1944 dia nomen' i Charles de Gaulle ny satan' ny "fizaran-tany ampitan-dranomasina" (frantsay: territoires d'outre-mer -- TOM) ny zanatany ka lasa nanan-jo hanana solontena ao amin' ny Antenimieram-pirenena frantsay. Rehefa tsy lany ny tolo-dalàna naroson' ny solontena malagasy avy ao amin' ny Mouvement démocratique de la rénovation malgache (MDRM) hahazoana ny fahaleovantenan' i Madagasikara dia nitarika fikomiana tsy nahomby ny mpikatroka nasiônalista malagasy (1947–1948), izay nanaovan' ny miaramila frantsay habibiana izay nahatonga takaitra lalina teo amin' ny vahoaka malagasy. Nahazo fahaleovantena tanteraka tamin' i Frantsa i Madagasikara tamin' ny taona 1960 taorian' ny fanafoanana ny fanjanahantany.
Teo ambany fitarihan' ny filoha Philibert Tsiranana ny Repoblika voalohan' i Madagasikara (1960–1972) izay niorina ho rafitra demôkratika nalaina tahaka tamin' ny an' i Frantsa. Io vanim-potoana io dia nisongadinan' ny fiankinan-doha ara-toekarena sy ara-kolontsaina tamin' i Frantsa, ka niteraka lolom-po sy nahatonga ny Rotaka, izay hetsi-bahoaka teo amin' ny tantsaha sy ny mpianatra, izay nampiditra ny Repoblika Demôkratika Malagasy notarihin' ny amiraly Didier Ratsiraka (1975-1992) izay niavaka noho ny fitokana-monina ara-toekarena sy ny fifanarahana ara-pôlitika amin' ny fanjakana mpomba ny Firaisana Sôvietika. Rehefa nitontongana haingana ny toekaren' i Madagasikara dia nihena be ny fari-piainan' ny mponina ary nitombo ny korontana ara-tsôsialy izay niharan' ny famoretana mahery vaika nataon' ny governemanta Ratsiraka. Tamin' ny taona 1992 dia natao ny fifidianana malalaka sy ara-drariny nandraisan' ny antoko pôlitika maro anjara, izay nampidirana ny Repoblika fahatelo demôkratika (1992–2009). Tao anatin’ ny lalàmpanorenana vaovao ny vahoaka malagasy no nifidy ny filoha nifandimby Albert Zafy sy Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana. Ity farany dia nesorina nandritra ny krizy pôlitika malagasy tamin' ny taona 2009 noho ny hetsi-bahoaka teo ambany fitarihan' i Andry Rajoelina, ben' ny tanànan' Antananarivo tamin' izany fotoana izany, izay nataon' ny besinimaro hoe fanonganam-panjakana. Nirosoana tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana malagasy tamin' ny taona 2010 i Rajoelina ary lasa filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita nitondra an' i Madagasikara nefa tsy nahazo fankatoavana avy amin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Notanterahina tamin' ny 20 Desambra 2013 ny fifidianana filoham-pirenena sy hamerenana ny firenena amin' ny fitantanana araka ny lalàmpanorenana.