Ady Lehibe Faharoa
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ady Lehibe faharoa (AL2) dia ady mitam-piadanana maneran-tany izay nanomboka tamin' ny 1 Septambra 1939 hatramin' ny 2 Septambra 1945. Io ady eran-tany io dia nampifanandrina toby roa: ny Mpiray Dina izay ahitana ny firenena tandrefana toa an' i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra ary i Etazonia, ary ireo amin' ny Aksisy izay ahitana an' i Alemaina sy i Italia ary i Japana.
Ny ady lehibe faharoa dia avy amin' ny tsi-fahafaham-po nateraky ny famahana ny ady lehibe voalohany ary ny nofinofim-piitarana ary ara-panjanahan' ny firenena telo lehibe ao amin' ny Aksisy. Ny fiaingan' ny AL2 dia ny fitambaran' ny ady an-trano espaniôla nanomboka tamin' ny taona 1936, sy ny ady sinoa-japôney tamin' ny taona 1937, ary ny fanafihan' i Alemaina an' i Pôlônia tamin' ny Septambra 1939. Nanao fifanekena ny tsy hifanafika ny Firaisana Sôvietika (FRSS) sy i Alemaina nazi tamin' io fotoana io. Nivadika tamin' ny Sôvietika ny Alemàna taorian' ny fanafihana an' i Pôlônia, ka lasa nifanafika indray ny FRSS sy i Alemaina.
Niditra an' ady i Etazonia tamin' ny 7 Desambra 1941 taorian' ny fanafihan' i Japana an' i Pearl Harbor any Hawaii.
Nitranga teny amin' ny zanatanin' ny firenena eorôpeanina ihany koa ny ady. Ao ny fanafihan' i Alemanina an' i Libia, ny fanafihan' ny Britanika ny firenena ao Afovoany Atsinanana ary koa ny fanafihany an' i Madagasikara tamin' ny 5 Mey 1942.