![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/05/Indian_Subcontinent_%2528orthographic_projection%2529.svg/langmg-640px-Indian_Subcontinent_%2528orthographic_projection%2529.svg.png&w=640&q=50)
Zana-Kôntinenta Indiana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Zana-kôntinenta Indiana na Saikanosy Indiana dia faritra ara-jeôgrafia ao Azia Atsimo, mirefy 4 500 000 km2 any ho any, izay ahitana an' i India, i Pakistàna, i Bangladesy, i Nepaly, i Botàna, i Srilanka ary ireo nosy Maldiva sy ampahan-tanin' izy ireo sy ampahan-tany fehezin' i Sina ankehitriny. Misy mponina 1 800 tapitrisa any ho any ny ao amin' ny zana-kôntinenta indiana, ka ny 1 400 tapitrisa dia monina ao India: izy no faritra eto amin' ambonin' ny tany be mponina indrindra, izay onenan' ny iray ampahefatry ny mponina maneran-tany. I Birmania koa indraindray dia tafiditra ao amin' io zana-kôntinenta io nefa ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia dia miaraka amin' i Azia Atsimo-Atsinanana izy. Noho ny antony ara-tantara dia tafiditra ao koa indraindray i Afganistàna.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/05/Indian_Subcontinent_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Indian_Subcontinent_%28orthographic_projection%29.svg.png)
Noho ny fipetrahany eo ambony sosom-bato mitokana sy noho ny fananan' izy ireo singa ara-kolontsaina iombonana no nahatonga ireo firenena ireo hakambana ao amin' io faritra io. Ny ampahany atsimo amin' ity faritra ity dia saikanosy lehibe, fa ny avaratra kosa dia misaraka amin' i Azia Afovoany amin' ny alalan' ny tandavan-tendrombohitra Himalaia izay mamorona sakana ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia eo anelanelany sy ny faritra hafa ao Azia.