![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0f/Flag_of_Maldives.svg/langmg-640px-Flag_of_Maldives.svg.png&w=640&q=50)
Maldiva
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Maldiva dia firenena ao Azia Atsimo, izay fitambarana nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Ny renivohiny dia i Malé. Ny tanàna lehibe indrindra dia Malé. Mirefy 298 km2 ny totalin' ny velaran-taniny ary miisa 328 536 ny mponina ao araka ny fanisana natao tamin' ny Janoary 2012. Ny faritr' ora dia +5.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/26/Maldives_FR.png/320px-Maldives_FR.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0f/Flag_of_Maldives.svg/640px-Flag_of_Maldives.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/04/LocationMaldives.png/200px-LocationMaldives.png)
Tamba-nosy ahitana nosy miisa 1 000 any ho any i Maldiva. Satria iva dia iva ireo nosy ireo dia matetika no ambanan' ny fiakaran' ny ranomasina. Maro isan-karazany ny biby an-dranomasina, izay ahitana soka-dranomasina, karazam-pay, antsantsa sns.
Be mponina loatra ilay tangoro-nosy (misy mponina 1 000 isaky ny km2). Arabo sy Indiana sy Singaley ary Afrikana ny mponina ao. Ny fivavahana silamo no be mpanaraka indrindra ao.
Tsy dia manana tany azo volena firy i Maldiva ka ny jono sy ny fizahàn-tany no iompanan' ny toekareny.
Protektôrata britanika taloha i Maldiva, izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1965, sady mikambana ao amin' ny Commonwealth.