Malagasy (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Malagasy, amin' ny ankapobeny, dia ireo olona rehetra miaina ao Madagasikara. Ny olona tety ivelany no nanome io anarana hoe Malagasy io sy Madagasikara koa ho an' ny vahoaka malagasy sy i Madagasikara, firenena onenan' ny Malagasy. Ny teny hoe Madagasikara dia avy amin' i Marco Polo. Ny Nosin' i Madagasikara dia nafangarony tamin' ny tanànan' i Mogadiscio, any Sômalia amin' izao fotoana izao, tamina sarintany.