Aostrôneziana (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Aostrôneziana dia ireo vahoaka tompon' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ka ny ankamaroany dia miteny malaiô-pôlineziana (na nosantariana). Ny fiteny malaiô-pôlineziana dia ahitana fiteny miisa 1 248 raha mitotaly 1 268 ny fiteny aôstroneziana. Ny anarana hoe aostrônezia, izay avy amin' ny teny latina hoe auster (midika hoe "rivotra atsimo") sy ny teny grika hoe νῆσος / nêsos (izay midika hoe "nosy") dia midika ara-bakiteny hoe "nosin' ny rivotra atsimo".