Apôstôly roa ambin' ny folo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Apôstôly roa ambin' ny folo dia ireo mpianatra roa ambin' ny folo nosafidin' i Jesoa manokana hamita iraka, dia i Petera, i Andrea, i Jakoba zanak' i Zebedeo, i Joany, i Filipo, i Bartôlômeo, i Tômasy, i Matio, i Jakôba zanak' i Alfeo, i Joda, i Simôna Zelôta ary i Jodasy.
Ankoatr' izany, araka ny lovantsofina kristiana dia nanavaka mpianatra fitopolo koa i Jesoa ka ireo no lasa eveka taty aoriana. Ireto mpianatra ireto dia nitory ny vaovao mahafaly (na filazantsara na evanjely).
I Paoly avy any Tarsisy dia isain' ny lovantsofina kristiana ho apôstôly faha-13: atao hoe "Apôstôlin' ny Jentilisa" (na Apôstôlin' ny Jentily) izy.
Ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa dia mihevitra ny eveka ho mpandimby ny Apôstôly, ka manisy lanjany manokana ny fandimbasan' ny eveka ny Apôstôly (fifandimbiasana apôstôlika), izany hoe ny lovatsofina izay mamatotra azy dia mitohy ahatrany amin' ny Apôstôly na ny fifanarakarahan' ny olona izany na ny fifanarakarahan' ny fampianaram-pinoana.