Joany Apôstôly
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Joany Apôstôly na Jaona Apôstôly na Jôhany Apôstôly, izay atao hoe Joany na Jaona na Jôhany fotsiny ihany, dia isan' ny mpianatr' i Jesoa (na Jesosy) roa ambin' ny folo lahy. Atao hoe Joany zanak' i Zebede na Jaona zanak' i Zebedio koa izy sady rahalahin' i Jakôba zanak' i Zebedio (na Jakôba zanak' i Zebede). Mpanjono ny asany. Misy ny mpandinika mihevitra fa i Joany Apôstôly dia tsy iza fa i Joany Evanjelista ihany. Ao koa anefa ireo mandà izany. Fanampin' izany dia heverin' iretsy farany fa tsy olon-tokana no nanoratra ny Filazantsaran' i Jaona.