Petera
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Simôna Petera na Simôna Piera dia iray amin' ny mpianatr' i Jesoa roa ambin' ny folo lahy. Hafohezina amin' ny hoe Petera na Piera fotsiny io anarana io matetika. Jiosy na Jody avy any Betsaida any Galilea i Petera. Teraka tokony tamin' ny manodidnna ny fiandohan' ny taonjato voalohany izy ary maty teo anelanelan' ny taona 64 sy 68 taor. J.K., angamba tao Rôma. Μpanjono no asany. Araka ny lovantsofina dia izy no nanoratra ny Epistily voalohany sy faharoan' i Petera. Ny lovantsofina katôlika koa dia manao azy ho ilay nanorina ny Eglizy katôlika voalohany sy papa voalohany.