Filipo (apôstôly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Filipo dia anisan' ny mpianatr' i Jesoa. Mpianatr' i Joany mpanao Batisa taloha izy. Izy ilay nanao hoe "Asehoy anay ny Ray". Milaza ny lovantsofina kristiana tatỳ aoriana fa i Filipo no apôstôly nitory tany Gresy sy Siria ary Frigia.
Ao amin' ny fombam-pivavahana rômana (katôlika), ny andro firavoravoana atokana ho an' i Filipo, miaraka amin' ny an' i Jakôba Zandriny, dia ankalazaina amin' ny 1 Mey, tsingerin-taona nanokanana ny fiangonana natokana ho azy ireo any Rôma (antsoina ankehitriny hoe Fiangonan’ ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folo, na Basilica dei Santi Dodici Apostoli amin' ny teny italiana, SS. Duodecim Apostolorum amin' ny teny latina). Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia mankalaza ny fetin' i Filipo amin' ny 14 Nôvambra. Ny iray amin' ny kôdeksa gnôstika hita tao amin' ny tranomboky Nag Hammadi tamin' ny taona 1945 dia mitondra ny anaran' i Filipo amin' ny lohateniny, eo amin' ny farany ambany.