![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/cb/Carte_Phrygie.png/640px-Carte_Phrygie.png&w=640&q=50)
Frigia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Frigia dia firenena tao Azia Minora tamin'ny Andro Taloha izay eo anelanelan'i Lidia sy i Kapadokia, ao amin'ny ilany andrefan'ny tany avon'i Anatolia. Atao hoe Φρυγία / Phrygía io tanana io amin'ny teny grika. Araka an'i Herodota dia nantsoina hoe Brigesy (grika: Βρύγοι / Brygoi na Βρίγες / Briges) ny Frigiana ary nifindrafindra tao Makedonia sy Albania, avy eo tany Trakia alohan'ny hifindrany mankany Helespontosy (na Dardanelia), taloha kelin'ny ady tao Troia, ary farany dia nanorim-ponenana tao amin'io tanàna io izy ireo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/cb/Carte_Phrygie.png/320px-Carte_Phrygie.png)