Jodasy Iskariôta
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jodasy Iskariôta na Jodasy dia iray amin' ny mpianatr' i Jesoa roa ambin' ny folo lahy, maty teo anelanelan' ny taona 30 sy 33 taor. J.K. Izy ilay voalaza fa namadika an' i Jesoa (na Jesosy) ka nanamora ny fisamborana azy.
Araka ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, i Jodasy Iskariôta dia ilay apôstôly nanolotra an' i Jesoa Kristy tamin' ny Sanedrina (na Sinedriôna). Teraka tao Jodea (na Jodia) izy. Izy no mpiandraikitra ny fananana sy ny vola tao amin' ny vondron' ny apôstôly notarihin' i Jesoa. Μisy filazantsara apôkrifa izay mitondra ny anarany, dia ny Filazantsaran' i Jodasy.