Andrea (apôstôly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Andrea dia iray amin' ny apôstôly, Jiosy galileana sady rahalahin' i Petera (na Piera) izy. Mpianatr' i Joany mpanao batisa izy taloha. Atao hoe Prôtôkleto ("Ilay Nantsoina Voalohany") koa izy satria nanaraka an' i Jesoa (na Jesosy) raha vantany vao vita batisa (na batemy) ity farany.