From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny passé antérieur dia filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra (mode indicatif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay ampiasaina amin' ny fitantarana zavatra vita haingana aloha kelin' ny fotoana iray voatondro na aloha kelin' ny fisehoan-javatra iray hafa ao amin' ny fotoana lasa izay samy tsy misy ifandraisany amin' ny fotoana ankehitriny.
Ny passé antérieur dia ampiasaina amin' ny fitantarana fisehoan-javatra vita alohan' ny fisehoan-javatra iray hafa ao amin' ny fotoana lasa izay samy tsy misy ifandraisany amin' ny fotoana ankehitriny na amin' ny fotoana itenenana ary ireo fisehoan-javatra roa ireo dia heverina ho tsy misy elanelam-potoana firy ny fahavitany. Ny matoanteny manambara io fisehoan-javatra faharoa io dia atao amin' ny passé simple.
Ohatra:
Raha ampiasaina anaty fehezankevitra tsy miankina na ara-drafitra na ara-kevitra amina fehezankevitra hafa ny passé antérieur dia manambara fahavitana tanteraka sy haingana.
Ohatra:
Ny fisian' ny passé antérieur ao amin' ny fiteny frantsay dia ahafahana mandahatra matoanteny telo ka ny iray amin' ny plus-que-parfait de l'indicatif iresahana ny zava-niseho lavitra indrindra, ny passé antérieur iresahana ny zava-niseho akaiky indrindra ary ny passé simple ny zava-nisdeho mifanandrify amin' ny fotoana heverina.
Ohatra:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.