From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny conditionnel passé na futur antérieur du passé dia filazam-potoana ao amin' ny fitsipiteny frantsay izay ampiasaina mba hiresahana fitrangan-javatra izay aseho ho vita tanteraka ao amin' ny fotoana lasa (mifanohitra amin' ny conditionnel présent) nefa tsy tena azo antoka na tsy mifanaraka amin' ny tena zava-misy (io no ifanahafany amin' ny conditionnel présent). Iresahana momba ny zavatra hitranga sady eritreretina fa ho vita tao amin' ny fotoana lasa koa ity filazam-potoana ity, ka izany no iantsoana azy hoe futur antérieur du passé. Misy endrika roa ny conditionnel passé, dia ny conditionnel passé première forme sy ny conditionnel passé deuxième forme (izay mitovy amin' ny subjonctif plus-que-parfait).
Ny conditionnel pasé dia iresahana fisehon-javatra mahakasika ny fotoana lasa izay mijanona ho petra-kevitra fotsiny satria fantatra fa tsy nisy na tsy azo notanterahina na tsy marina (irréel du passé). Ohatra:
Ny conditionnel passé koa dia iresahana ny alahelo na ny fanomezan-tsiny noho ny tsy nahatanterahan' ny zavatra iray.
Ohatra:
Iresahana nofinofy tsy tanterahina tamin' ny fotoana lasa koa ny conditionnel passé.
Ohatra:
Ampiasaina koa ny conditionnel passé amin' ny firesahana fisehoan-javatra tamin' ny fotoana lasa izay ivelambelany fotsiny fa tsy tena izy.
Ohatra:
Ampiasaina ny conditionnel passé amin' ny fanoheranan-kevitra.
Ohatra:
Ampiasaina ny conditionnel passé amin' ny fanaovana tsoa-kevitra sarotra hamarinina.
Ohatra:
Ohatra:
Amin' ny filalaovana tantara ataon' ny ankizy dia lazain' izy ireo amin' ny alalan' ny fampiasana ny conditionnel passé ny zavatra ifanarahana mialoha fa nitranga nefa tsy marina eo amin' ny fiainana tena izy.
Ohatra:
- On aurait dit que toi t'étais un méchant démon, et que moi j'étais un chevalier.
- Bah pourquoi ? Non, j'ai pas envie d'être un méchant démon, moi !
- Bon ben on aurait dit que t'étais un méchant voleur alors.
(Cité par A. Patard 2007)
Amin' ny fitateran-dresaka tsy atao mivantana dia asolo ny futur antérieur ny conditionnel passé raha amin' ny filazam-potoana lasa ny matoanteny ao amin' ny fehezankevitra iankinana.
Ohatra:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.