From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny futur antérieur dia filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra (mode indicatif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay ampiasaina amin' ny firesahana zavatra vita alohan' ny fotoana iray voatondro na alohan' ny fisehoan-javatra iray hafa samy ao amin' ny hoavy. Mety ampiasaina amin' ny fikendrena hafa ny futur antérieur, toy ny tombantombana momba ny lasa na ny fitsipahana ny filazana iray momba ny lasa. Ny futur antérieur dia manana ny hevitry ny fanehoan-javatra efa.
Ampiasaina hilazana ny fahavitana tanteraka amin' ny hoavy ny futur antérieur.
Ohatra:
Ampiasaina hilazana ny fahavitana haingana ao anatin' ny fotoana fohy ao amin' ny hoavy ny futur antérieur. Ifanahafany amin' ny fampiasana ny passé antérieur ity[1].
Ohatra:
Ampitahao amin' ny hoe: Elle lui donna ce jouet mais il l'eut détruit en un rien de temps. (passé antérieur)
Ampiasaina hilazana ny fisehoan-javatra alohan' ny iray hafa izay samy ao amin' ny hoavy ny futur antérieur, ka ilay faharoa dia ambara amin' ny alalan' ny matoanteny atao amin' ny futur simple.
Ohatra:
Ny futur antérirur dia ampiasaina hiresahana zavatra tsy natrehina tao amin' ny fotoana lasa nefa tokony ho nitranga tokoa ka mila fanamarinana.
Ohatra:
Ny futur antérieur dia ampiasaina hanambaràna ny tsy finana ny filazana momba ny fotoana lasa izay heverina fa diso. Mbola azo atao ny manao fanamarinana amin' ny hoavy.
Ohatra:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.