Futur simple
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny futur simple dia filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra amin' ny fitsipiteny frantsay izay amin' ny ankapobeny entina hiresahana zavatra hitranga amin' ny hoavy. Misy koa ny fampiasana ny futur simple izay iresahana zava-mitranga amin' ny fotoana lasa na amin' ny fotoana ankehitriny.
Ny endriky ny futur simple dia foronin' ny fototry ny matoanteny, izay matetika mitovy amin' ny an' ny infinitif nefa tsy voatery, tovanana ny renifeo /r/ na renisoratra -r- sy ny fiafaran-tenin' ity filazam-potoana ity: je ....-rai, tu ....-ras, il/elle ....-ra, nous ....-rons, vous ....-rez, ils/elles ....-ront. Na dia tokana aza ny -r- amin' ny endriky ny infinitif sasany (ohatra: voir) dia mety ho lasa roa (-rr-) izany rehefa atao futur simple (ohatra: je verrai).
Amin' ny ankapobeny dia mitovy fototra amin' ny infinitif ny endriky ny futur simple ao amin' ny matoantenin' ny vondrona voalohany sy faharoa. Toraka izany koa ny an' ny matoanteny maro ao amin' ny vondrona fahatelo.
Ohatra:
Chanter
|
Oublier
|
Finir
|
Dormir
|
Ao koa ny endriky ny futur simple izay ahitana r anankiroa (-rr-).
Envoyer
|
Voir
|
Pouvoir
|
Courir
|
Misy koa ny endriky ny futur simple izay ahitana -dr-, dia ny an' ny matoanteny ao amin' ny sokajy fahatelo manana infinitif miafara amin' ny -dre sy ny an' ny matoanteny manana infinitif tsy miafara amin' io nefa manana endriky ny futur simple ahitana -dr-.
Ohatra:
Vendre
|
Prendre
|
Rendre
|
Pendre
|
Coudre
|
Résoudre
|
Moudre
|
Absoudre
|
Fendre
|
Répondre
|
Répandre
|
Devenir
|
Tenir
|
Souvenir
|
Venir
|
Vouloir
|
Valoir
|
Falloir
|
Misy koa ny endriky ny futur simple izay ahitana -vr-.
Apercevoir
|
Devoir
|
Recevoir
|
Pleuvoir
|
Miavaka kosa ny endriky ny futur simple ho an' ny être sy avoir ary savoir.
Etre
|
Avoir
|
Savoir
|
Ny futur simple dia ampiasaina hiresahana zava-hitranga amin' ny hoavy.
Ohatra:
Ny futur simple dia ampiasaina hiresahana zavatra mety hitranga amin' ny hoavy, miankina amin' ny fahatanterahana fepetra, izay atao anaty fehezankevitra mahaleo tena. Ny fehezankevitra miankina dia ampidirin' ny mpampiankina "si" ary tsy tokony hisy matoanteny amin' ny futur simple fa amin' ny présent de l'indicatif.
Ohatra:
Ny futur simple dia azo ampiasaina hanalefahana ny filazana didy na finiavana na torohevitra. Amin' izany ny lazainan' ny matoanteny dia ny laharana faharoa (tu na vous).
Ohatra:
Ampiasaina hilazana ny tsy fitovian-kevitry ny mpiady hevitra na ny fahatezerana noho ny filazan' ny mpandray hafatra. Amin' ny fehezanteny manontany na maneho fihetseham-po no tena ahitana an' izany. Ny mifanohitra amin' izay lazaina no tena hevitry ny tena.
Ohatra:
Ny futur simple koa dia ampiasaina koa hilazana fahamarinana ankapobeny, asolo ny présent de l'indicatif.
Ohatra:
Ny fanalefahana ny filazàna na fanambaràbna tsotra dia azo atao amin' ny fampiasana ny futur simple mba tsy hanafintohina.
Ohatra:
Ampiasaina ny fitur simple amin' ny filazana tsy tena azo antoka fa tombantombana momba ny zava-mitranga ankehitriny.
Ohatra:
Ny fampiasana ny futur simple ho solon' ny impératif présent dia manalefaka ny fiangaviana na ny torohevitra.
Ohatra:
Ampiasana ny futur simple ao amin' ny fitantarana zavatra niseho tamin' ny fotoana lasa nefa aseho ho mitranga aorian' ny fitrangan' ny zavatra sasany. Ny fampiasana ny conditionnel présent dia mety hadikan' ny mpihaino na ny mpamaky ho zavatra nokasaina nefa tsy fantatra na tanteraka na tsia. Miaraka ao amin' ny lahatsoratra ahitana filazam-potoana fampiasa amin' ny fitantarana zavatra niseho any amin' ny fotoana lasa (passé simple, imparfait de l'indicatif, sns).
Ohatra:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.