From Wikipedia, the free encyclopedia
Raha vantany niforona ny fampiasana soratra dia namolavola literatioram-pahendrena ahitana fiheverana momba ny fitondran-tena tokony hananan' ny olona mifanaraka amin' ny fisainany ny Someriana. Maro ny fitsipika ara-pitondran-tena ao amin' ny asasoratra izay tsy mionona amin' ny fampianaram-pitondran-tena fa ahitana fitantarana ny zava-bitan' olo-malaza na hira fiderana koa.
Nihaniitatra sy nihasarotra ny fandinihana ny zavatra iainan' ny olombelona taty aoriana, indrindra tamin' ny vanim-potoana mediô-babilôniana (taona 1595 hatramin' ny 1000 tal. J.K.) izay namoahana asasora-pahendrena goavana tao Mesôpôtamia.
Efa tamin' ny taonarivo faha-3 no nanomboka nahitana torohevitra momba ny fitondran-tena tsara tokony hananana ny lahatsora-pahendrena. Ny lahatsoratra tranainy indrindra amin' izany karazany izany dia tokony ho ny Toromarik' i Shuruppak izay torohevitra nataon' i Shuruppak tamin' ny zanany atao hoe Ziusudra[1] (fanalolahin' ny tantaran' ny Safodrano araka ny fitantaran' ny Someriana azy), ka ny fisehony voalohany fantatra dia avy amin' ny toeram-pihadiana atao hoe Abu Salabikh[2] sy Adab[3] (tenantenan' ny taonarivo faha-3), izay natao tamin' ny fiteny someriana tamin' ny voalohany avy eo nadika tamin' ny fiteny akadiana tamin' ny taonarivo faha-2.
Izany lahatsoratra izany dia misy fizaràna telo sady miresaka momba ny lafim-piainana maro amin' ny fiainanana andavanandro: tsy tokony hangalatra, tokony ho mailo amin' ny andevo, tsy tokony hifanerasera amin' ny olona ratsy fomba, tokony hitoky amin' ny fianakaviana, sns. Ny andalana sasany amin' io lahatsoratra io dia miseho amin' ny endrika ohabolana izay matetika tsy mazava loatra.
Ny lahatsoratra hafa tamin' izany vanim-potoana izany dia ahitana fampianarana ara-pitondrantena, toa ny tonon-kira fiderana ny andriamanibavy Nanshe[4]. Ao koa ny fanangonana ohabolana sy ankamantatra ary angano izay ahitana fandraisan' ny biby anjara, izay manome fampianarana momba ny fiainana.
Ilay Olona sy ny Andriamaniny, izay lahatsoratra natao amin' ny tanimanga fanoratana tamin' ny vanim-potoana paleô-babilôniana (eo anelanelan' ny taona 2004 sy 1595 tal. J.K.) hita tao Nippur[5], nefa mety voasoratra taloha elan' izany fotoana izany, dia maneho olona iray izay niangonan' ny loza maro, sy mikatsaka hahita fahasoavana (fitia) eo imason' ilay andriamaniny manokana amin'ny alalan' ny fitalahoana. Nihaino azy tamin' ny farany ilay andriamanitra ka nahatonga ilay olona hiaina anaty fahasambarana. Ao amin' io lahatsoratra io dia tsy misy na dia indraimandeha aza tsy fatokian' ilay olona an' ny andriamaniny, ka tsy manohitra ny lahatra izy nefa mlikatsaka ny hanatsara izany amin' ny alalan' ny fihetsika hankasitrahan' izany azy.
Ny tempoly tamin' ny faramparan' ny taonarivo faha-2 dia seha-pamokarana literatioram-pahendrena izay niompana amin' ny lohahevitra vaovao, noho ny fikatsahany valin-teny ny amin' ny antony mahatonga ny fijaliana iaretan' ny olo-marina. Lahatsoratra telo tamin' izany vanimpotoana izany no tena manoritsoritra izany lohahevitra izany:
Ireo lahatsoratra ireo dia vavolombelon' ny fisaintsainana ny amin' ny fifandraisan' ny olombelona sy ny andriamanitra izay tonga amin' ny lalindalina kokoa, nefa tsy manan-tanjona hanakorontana ny foto-pisainana mesôpôtamiana izy ireo.
Ny literatiora tamin' io vanim-potoana io dia namokatra lahatsoratra misy torohevitra, dia ny Torohevitry ny olo-marina, izay mitovitovy karazana amin' ny Toromarik' i Shuruppak. Ity lahatsoratra ity dia voatahiry amin' ny alalan' ny dika mitovy maro tamin' ny taonarivo voalohany ka mety ny Kasita[6] no nanoratra azy.
Ahitana lahatsoratra mitovy votoatiny amin' ireo koa ny ao amin' ny literatioran' i Ogarita (Ugarit) tany Siria tamin' io vanim-potoana io momba ny lohahevitra ny amin' ny "olo-marina miaritra fijaliana".
Ny lahatsora-pahendreana nanana ny maha-izy-azy indrindra tamin' ny taonarivo faha-2 dia fantatra amin' ny alalan' ny endri-dahatsoratra tamin' ny antsasany voalohany amin' ny taonarivo voalohany tal. J.K., izay hita indrindra tao amin' ny tranom-bokin' ny mpanjakan' i Asiria. Toa voafetra ihany anefa ny famokarana lahatsoratra tamin' izany vanim-potoana izany. Azo tanisaina ny Torohevitra ho an' ny andriandahy, izay lahatsoratra miseho amin' ny endrika fanangonana faminaniana zavatra hoavy nampahafantarina ny olona ho mpanjaka, mba hahatonga azy hanaja ny fahalalahan' ny tanàna masina amin' ny faritra atsimo ao Mesôpôtamia.
Ny lahatsora-pahendrena malaza indrindra tamin' ny taonarivo voalohany tao Atsinanana Akaiky dia ny Tantaran' i Ahiqar, izay nosoratana tamin' ny fiteny arameana, teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-6. Izany asa soratra izany dia maneho ny fifandraisany amin' ny literatioram-pahendrena mesôpôtamiana. Mitantara ny fiainan' i Ahiqar[7], minisitry ny mpanjaka asiriana Asarhaddon[8], izay very sitraka avy eo nahita sitraka indray teo imason' ny mpanjaka rehefa avy nanampy ny mpanjaka izay nampiady karajia tamin' ny faraon' i Egipta. Ahita ohabolana manerana ny fitantarana, izay omeny ny zanaky ny iray tampo aminy nahatonga an' ilay fahaverezan-tsitraka. Ny Tantaran' i Ahiqar dia nalaza ka niely indrindra.
Ny teny hoe "Bokim-pahendrena" na "Bokin' ny olon-kendry" dia ampiasaina amin' ny fandalinana ny Baiboly mba hanondroana ny vondrom-boky ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika, dia ny Septoajinta. Miisa fito ireo boky ireo, dia ny Bokin' i Jôba, ny Bokin' ny Salamo, ny Bokin' ny Ohabolana, ny Bokin' ny Mpitoriteny, ny Bokin' ny Tononkira Fanaperana (na Tononkiran' i Sôlômôna), ny Bokin' ny Fahendrena ary ny Bokin' ny Ekleziastika. Tsy ny Salamo rehetra no heverina ho anisan' ny literatioram-pahendrena jiosy[9].
Ny teny grika ao amin' ny Septoajinta hoe σοφῐ́ᾱ / sophíā ("fahendrena") dia nandikana ny teny hebreo hoe חכמה / khokmah. Lohehevitra foibe ao amin' ny bokin' ny olon-kendry ny fahendrena.
Ao amin' ny jodaisma dia anisan' ny Ketuvim ("Soratra") ny bokim-pahendrena ankoatry ny Fahendren' i Sôlômôna sy ny Ekleziastika. Amin' ny kristianisma dia dia ny Bokin' i Jôba sy ny Salamo sy ny Ohabolana sy ny Tononkira Fanaperana ary ny Ekleziastika dia ataon' ny antokom-pivavahana rehetra ho anisan' ny Testamenta Taloha, fa ny Fahendrena sy ny Ekleziastika dia ataon' ny fiangonana sasany ho deoterôkanônika fa apôkrifa kosa ho an' ny Baiboly anglikana sy ny Baiboly prôtestanta[10].
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.