From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tononkira Fanaperana na Tononkiran' i Sôlômôna na Tononkira dia Tononkira dia boky ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Testamenta Taloha izay mitantara ny resaka ifanaovan' ny mpifankatia mifampitaona sy mifaneho ny fitiavany sy ny faniriany. Tantara an' ohatra ny amin' ny fitiavan' Andriamanitra ny vahoakany izany ho an' ny Jiosy sy ny Kristiana.
Ny hoe Tononkiran' i Solomona dia teny malagasy andikana ny teny grika hoe ᾎσμα ᾈσμάτων / Aisma Aismátôn sy ny teny hebreo hoe שיר השירים / Shir ha-Shirim ao amin' ny Baiboly prôtestanta. Tsy dikan-teny ara-bakiteny izany. Ny hoe Tononkira dia Tononkira no manakaiky indrindra ny anaran' ny boky amin' ny teny hebreo. Ny hoe Shir ha-Shirim dia enti-milaza ny hatsarana fara-tapony ananan' ilay tononkira (shir), "tononkira tsara indrindra" no azo andikana izany. Tononkiran' i Solomona no iantsoana ilay boky ao amin' ny Baiboly prôtestanta fa Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana kosa ao amin' ny Baiboly katolika.
Fanangonana tonon-kira sy tonon-kalo ny Bokin' ny Tononkira Fanaperana izay mampiresaka lehilahy iray sy vehivavy iray ny amin' ny fifankatiavan' izy ireo. Indraindray izy roa dia mifamaly resaka fa indraindray koa dia miresaka amin' ny namany avy ka mahatsiahy ny fifandraisany sy ny fisakaizany.
Ny mpanao fivoasana ny boky dia samy nanana ny fomba fandraisany ny zavatra voalaza ao:
Azo zaraina telo ny Tononkira Fanaperana:
- Ny fiaraisam-po eo amin' ireo mpifankatia (1.1 -- 2.7)
- Mitady ny olon-tiany ilay mpampakatra (2.8 -- 3.5)
- Lahateny fanehoam-pitiavana miredareda (3.6 -- 8.14)
Toy izao ny antsipiriany:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.