Karàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Karàna dia ireo Indiana sy Pakistaney izay nifindra monina eto Madagasikara nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17. Mozilmana siita ny ankamaroan' izy ireo[1]. Amin' ny heviny mifintina dia ireo Indiana eto Madagasikara ihany no lazaina fa Karàna, fa amin' ny heviny mivelatra kosa dia mahafaoka ny Indiana sy ny Pakistaney any India sy Pakistàna na any amin' ny firenena hafa koa ny teny hoe Karàna. Miisa eo amin' ny 25 000 eo ho eo ny Karàna eto Madagasikara araka ny antontanisan' ny Ministeran' ny Raharaham-bahiny indiana, manodidina ny taona 2000[2][3]. Miisa 400 000 any ho any ny Karàna tsy manana zom-pirenena nanodidina ny taona 2020[4]. Ny ankamaroan' ny Karàna tonga teto Madagasikara dia manaraka ny fivavahana silamo siita sady avy any Gujerat, faritra any amin' ny tapany avaratra-andrefaa amin' i India.